• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Taombaovao Malagasy
Image
Vaovao

Taombaovao Malagasy : Teny Mahamasina no nanatanterahana ny « Tatao » sy ny « Tsodrano »

11/03/2024 16:51 © Moov.Mg

Nitohy androany tontolo andro ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy. Ho an’ny teto Antananarivo Renivohitra dia teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina no nifamotoana ny rehetra, ankoatra ireo fanamarihana tamin’ny toerana isan-karazany.

Mpanakanto 60 isa

Nisy tamin’ireo olona tonga nanotrona ny fotoana androany no efa tsy niala teny an-toerana, fa efa hatry ny alina no niandry ny taona vaovao, tao anatin’ny « Tsimandrimandry ». Androany no tena lanonana, satria androany 11 martsa no tena fankalazana ny taombaovao, ho an’ity taona 2024 ity. Mpanakanto maherin’ny 60 isa no nanafana ny lanonana tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Fa tsy adino ireo fomban-drazana izay fanao, ho fanamarihana ny fiandohan’ny taona toy izao, dia ny « Tatao » izany. Io ilay fihinanana ny vary amin-dronono tondrahan-tantely, ka tahaka izao ny fanazavan’ireo mpitahiry ny fomban-drazana : ny vary sosoa asiana ronono sy tantely dia mba ho firariana fa ho tondraky ny soa, ny tsara sy ny mamy ity taona ity. Asiana vorivorin-kena miaraka aminy, mba ho vory ny harena sy ny fahasoavana, ampiana ny toho (karazan-trondro) mba ho toa sy tanteraka ny zavatra rehetra kasaina. Asandratra ambonin’ny loha ny sotro voalohany, alohan’ny handrapahana, sady miteny hoe : « Sambasamba Andriamanitra Andriananahary tratry ny taona, dia ho tratran’ny arivo taona mitsingeringerina isika mianakavy ».

Tsodrano

Taorian’ny « Tatao » dia nisy ny fanomezan-tsodrano ho an’ireo tonga nanatrika, sy ho an’ny Malagasy tsivakivolo, mba ho « vory hasina tsy lavom-pahavalo » ny olon-drehetra, araka ny firariana ho an’ity taona 2024 ity. Ny taranaky ny mpisorona avy any Ankaratra, izay mbola mahatana ny fihasinana eto min’ny firenena, no nanome izany tsodrano izany. Narahina kabary sy fifandraisam-pitenenana samihafa avy amin’ireo olo-manankaja tonga nanatrika ny fotoana ary nitohy tamin’ny vela-tseho tontolon’ny andro, mba ho fiaraha-mikorana.

Lire la suite

Articles Similaires