• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Ady ho an’ny fitovian-jo : Miantso ny rehetra hitoroka sy ny hamongotra ny herisetra, Rtoa Mialy Rajoelina

11/03/2024 13:07 © Moov.Mg

Notanterahina androany, teny Anosy, ny fikaonan-doha momba ny fampitovian-jo ny lahy sy ny vavy (dialogue de haut-niveau sur « Investissement pour accélérer l’égalité de genre »), niarahana tamin’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA), teo ambany fiahian-dRtoa Mialy Rajoelina, vadin’ny filoham-pirenena.

Andraikitry ny rehetra

Raha izao zava-misy izao no mitohy dia afaka 300 taona any ho any vao ho tanteraka ny fitovian-jon’ny lahy sy ny vavy, araka ny tombana nataon’ny Firenena Mikambana, izay nampahatsiahivin’Atoa Issa Sanogo, mpandrindra maharitry ny rafitry ny Firenena Mikambana eto amintsika. Ahitana taratra ireo endrika fanitsakitsahana ny zon’ny vehivavy sy ny ankizizivavy tanteraka, eto Madagasikara. Santionany fotsiny ny momba ny herisetra, izay vehivavy 1 amin’ny 3 no iharany eo amin’ny fiainany. Vehivavy 1 isaky ny 11 minitra no mamoy ny ainy, vokatry ny herisetra ataon’ny olona miaraka aminy, na ny olona akaiky azy. Etsy an-daniny, tena mbola manjaka ny fampanambadiana aloha loatra ny ankizivavy eto amintsika, satria nanambady talohan’ny faha-18 taonany avokoa ny 39%-n’ny vehivavy eo anelanelan’ny 25 hatramin’ny 49 taona, ary talohan’ny faha-15 taonany dia efa nanambady ny 12%. Zava-dehibe, araka izany, ity fikaonan-doha androany ity, izay fotoana niantsoana indray ny fandraisan’andraikitry ny rehetra. Araka ny voalazan-dramatoa Mialy Rajoelina, nandritra ny fandraisam-pitenenany manao hoe : « Mila miaraka miasa isika mba hitondra vokatra haingana, maharitra ary lalina. Manana adidy isika rehetra ny hitoroka sy ny hamongotra ny herisetra ».

Sady goavana no maika

Tetsy an-daniny, Rtoa Josiane Yaguibou, solontena maharitry ny UNFPA eto amintsika, dia nanindry mafy fa sady goavana no maika ny ady amin’ireo herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy, ny famongorana ireo tsy fitoviana misy eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny famaphaleovan-tena ny vehivavy. Tena zava-dehibe, hoy izy, ny fampisitrahana ny vehivavy, ny zatovo sy ny tanora, ny fahasalamanana ara-pananahana, ny fandrindram-piterahana, ary ny fandraisana an-tanana ny herisetra. Efa eo am-panomanana ny « Initiative Spotlight 2.0 » moa ny Firenena Mikambana ankehitriny, izay fandaharanasa goavana miompana amin’ny famongorana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy maneran-tany. Nanatrika ity fikaonan-doha ity Rtoa Lydia Zigomo, tale rejionalin’ny UNFPA ho an’i Afrika Atsinanana sy Atsimo. Nilaza izy fa manohana ny ezaka rehetra hampanjariana ny zon’ny vehivavy eto Madagasikara.

Nandritra ity andro androany ity no nanolorana mari-pankasitrahana ho an-drtoa Mialy Rajoelina amin’ny maha-tompondaka azy amin’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na mahavavy. Ankoatra izay dia samy nanao sonia ny firotsahany handray andraikitra amin’izany ady iombonana izany avokoa ireo tomponandraiki-panjakana tonga nanatrika ity fikaonan-doha ity.

Lire la suite

Articles Similaires