• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintimbaovao : Ireo vaovao nisongadina ny 4 hatramin'ny 10 marsa 2024

11/03/2024 06:30 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nalaza ny herinandro lasa teo, dia ny 4 hatramin'ny 10 marsa 2024

Taombaovao Malagasy # Famaranana ny taona

Nakotrokotroka ny "Réveillon" Taombaovao Malagasy 2024, omaly 10 marsa. Nanomboka ny tolakandro izany. Ho an'ny teny amin'ny Rovan'Ambohidrabiby manokana dia ny fandrehetana ny "Afo tsy maty" teo an-kianja no nanamarihana ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny fankalazana ny Taombaovao Fidiovana. Nampitaina teto Antananarivo Renivohitra moa ny afo ka ny teny Sabotsy Namehana, Andranobevava, Mahazo sy iny By-Pass rehetra iny no tena nahazo tombony. Nahazo ny anjarany ihany koa ireo mpifety tonga marobe tao amin'ny Lapan'ny Kolontsaina Mahamasina. Narehitra ihany koa ny fanilo teny amin'ny Rovan'i Madagasikara eny Manjakamiadana. Tsy vitsy ireo nitondra arendrina, na dia mbola maro aza ireo tsy mahalala firy mikasika ny Taombaovao Malagasy.

Taombaovao Malagasy # Fandraisana ny taona vaovao

Arahaba nahatratra ny Asaramanitra ! Androany 11 marsa tokoa ilay daty nandrasana hatry ny ela. Tamin'ity taona ity mantsy dia niraisan'ireo fikambanan'ny taranak'Andriana ny daty fankalazana. Samy manana ny fandaharam-potoanany avy ireo vohitra rehetra. Anisan'ny tena mahasarika ny maro ny eny amin'ny Rovan'Ambohidratrimo sy ny eny Ambohidrabiby. Ho an'ny eto Antananarivo Renivohitra dia mitohy ny fankalazana eny amin'ny Rovan'i Madagasikara Manjakamiadana sy ny eny Mahamasina. Ny loko Fotsy sy Mena moa no tena ampiasaina, izay lokon'ny sainam-pirenena Malagasy tamin'ny vanimpotoana faha-Mpanjaka.

Antananarivo Renivohitra # Fanadiovana sy fanalana fako

Niroso tamin'ny fanatrarana ny tanjona hanaovana an'Antananarivo,ho tanàna madio ato anatin'ny 10 andro ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Nisy ny fametrahana dabam-pako vaovao, mifanaraka amin'ny haben'ny fiara lehibe "multibennes" vao azo tamin'ny alalan'ny tetikasa GESDA, tohanan'ny fanjakana japoney.
Nilaza Andriamatoa PDS fa vonona hatrany ny Tanànan'Antananarivo sy ireo tomponandraikitra rehetra voakasika amin'izany amin'ny fanadiovana ny tanàna. Nampatsiahiviny ihany koa ny andininy sasantsasany ao amin'ny Code Municipal d'hygiène (CMH). Ao amin'ny andininy faha 14 dia milaza fa ny ora fanariana fako dia amin'ny 4 ora hariva hatramin'ny 8 ora alina ihany.
Omaly alahady 10 marsa dia nisy ny fanadiovana ny araben'ny fahaleovantena Analakely niarahana tamin'ny Vondron'ny Mpamonjy voina eto anivon'ny KAR sy ny eo anivon'ny "Direction de l'urbanisme".

Toamasina # Fanohanana vehivavy sahirana

Ireo vehivavy manano tena, mamelon'anaka irery, iharan’ny herisetra sy ireo marefo no nifantohan'ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak'asa tamin'ilay fampiofanana zaitra. Tontosa soa aman-tsara ny fianaran'izy 140 mirahavavy mianaka. Ny 7 marsa lasa teo no nanolorana azy ireo taratasy fanamarinana sy "kits de démarrage" hahafahan'izy ireo miasa avy hatrany. Nanotrona ny fankasitrahana sy fanomezana fitaovana ny vadin'ny filohan'ny Repoblika : Mialy Rajoelina. Nifanindry an-dalana tamin'ny fankalazana ny 8 marsa ihany koa ny lanonana.

Toamasina II # Fanajariana ny Tany

Nahazo tombony tokoa ny faritra Atsinanana tamin'ny nandraisany ny fankalazana ny 8 marsa tamin'ity taona 2024 ity.
Kara-tany miisa 6987 no nozaraina, ary nomena vahana manokana ireo vehivavy. Nozaraina ihany koa ny ampahany amin'ny titra faobe ho an'ny tany Le HARAS ao Ambalamanasy. Fanamby lehibe napetraky ny Fitondram-panjakana ny hizarana kara-tany hatramin’ny 2 tapitrisa manerana an'i Madagasikara. Ny tanjona dia mba ho ara-dalàna sy hiverina amin'ny vahoaka malagasy ny taniny mba hahafahan'izy ireo miasa sy mamokatra ho fampandrosoana ny firenena.

Atsinanana sy Alaotra Mangoro # Paysage Durable dans l’Est de Madagascar

Nisitraka fampiofanana sy fanamafisana traikefa mahakasika ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro avy amin’ny tetikasa « Paysage Durable dans l’Est de Madagascar » ny teo anivon'ny Faritra Alaotra Mangoro sy ny Faritra Atsinanana. Fampahafantarana ny antony mahatonga ny fiovan’ny toetrandro sy ny paikady entina miatrika izany no nifampizarana tamin’ireto tompon’andraikitra eny ifotony ireto.
Nomen’ny tetikasa tohana ara-pitaovana fikarakarana fambolen-kazo ireo Ben’ny Tanàna taorian’ny fiofanana ho famporisihana azy ireo hametraka toerana maitso eny anivon’ny birao fiasan’ny Kaominina. Fifaninanana eo amin’ireo kaominina voakasiky ny tetikasa ity fametrahana toerana maitso ity ka homen’ny tetikasa fankasitrahana manokana ny kaominina mendrika.

Morondava # Allée des baobabs

Tamin'ny herinandro lasa iny no nankalazana ny ny andro maneran-tany ho an'ny fiainana. Izany indrindra no nararaotin'ny Ministeran'ny Tontolo ianana nanaovana fambolen-kazo teny amin'ny "Allée des baobabs". Zanakazo zanatany miisa 1960 no voavoly izay nahitana Reniala, Voamboana, Mafay ary Anakaraka. Marihana moa fa toerana iray ahafantaran'izao tontolo izao an'i Madagasikara ny Faritra arovana "Allée des baobabs" ao Morondava # Faritra Menabe. Mirefy 320ha ity valanjavaboahary ity ary ao anatin'ny Faritra arovana sokajy faha-3 antsoina hoe "Tahirim-bakoka voajanahary".

ODOF # Fampiofanana ireo mpampiofana

40 mianadahy ireo mpiara-miasa eto amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) nahavita fiofanana ho mpanofana tamin’ity herinandro ity. Izany moa dia tafiditra anatin'ny tetikasa One District One Factory ( ODOF).
Handeha hiparitaka hanofana ireo mpandraharaha sy Orinasa kaoperativa mitantana ny Taninketsa Indostrialy ireto teknisianin’ny Minisitera nahazo fiofanana ireto. “Tanjon’izao fiofanana izao ny hahaizan’ireo mpandraharaha hivarotra ny vokatry ny ODOF ho jifain’ny malagasy”, hoy ny Tale misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana (DPE) Irène Andriamaneho.

MEDD # Ady amin'ny kolikoly

Nanatanteraka atrikasa fampiofanana mahakasika ny ady amin’ny kolikoly ho an’ny mpiara-miasa rehetra ny teo anivon'ny Ministeran'ny Tontolo iainana ny talata 5 marsa. Laharam-pahamehana napetraky ny Fitondrampanjakana tokoa mantsy ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly eny anivon’ny Sampan-draharaham-panjakana rehetra. anjona ny hanatsarana ny haitondra ara-tontolo iainana izay sahanin’ny tsirairay eto anivon’ny Ministera sy hananana mpiasam-panjakana vanona sy vonona amin’ny fanatanterahana ny asa.
Ho tombontsoan'ireo mpiasam-panjakana hatrany, nitondra fanentanana sy fampahafantarana momba ny zon’ny rehetra ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny alatsinainy 4 marsa lasa teo. Ny fiahiana ara-tsosialy, ny fitantanana ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny fisotroan-dronono no tena noresahina tamin'izany.

Lire la suite

Articles Similaires