• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Taombaovao Malagasy : Samy ho arivo tratry ny taona isika rehetra !

11/03/2024 05:24 © Moov.Mg

Marihina androany 11 martsa ny Taombaovao Malagasy ho an’ity taona 2024 ity, araka ny fanapahan-kevitry ny « Communauté Royale de Madagascar », izay niombon-kevitra tamin’ny daty ikambanana, mba hampiraisana ny Malagasy rehetra.

Afo tsy maty sy fidiovana

« Ny vory hasina tsy lavom-pahavalo ». Izany no teny entina mamakivaky ity taona vaovao ity, araka ny nampitain’ny mpikarakara ny Taombaovao Malagasy. Mandalo dingana maromaro izany fankalazana izany, izay natomboka tamin’ny « Fidiovana », mariky ny fifamelan-keloka eo amin’ny samy Malagasy, fanesorana ny ratsy izay mety hibahana sy hamingana eo am-pakivakiana ny taona ihany koa. Efa tamin’iny herinandro lasa iny ny fikambanana FAMATO no nanomboka nizara izany « Fidiovana » izany, izay niisa 50.350 no nomanin’izy ireo. Lany avokoa izany, satria tena nilaharana tokoa. Ny andron’ny omaly, izay mialoha ny Taombaovao moa, no fanatanterahana ny « Fidiovana », araka ny fomba. Teny amin’ny Rovan’i Madagasikara no nanatontosana izany tamin’ny fomba ofisialy, natrehin’ireo mpitondra Fanjakana isan-tokony, ary narahin’ny fizarana ny « Afo tsy maty ». Nisy ihany koa anefa ny fanatanterahana izany nanerana ny toerana maro teto Madagasikara. Arendrina sy « Tsimandrimandry » no nentina niandry ny Taombaovao androany.

Vary amin-dronono tondrahan-tantely

Misy dikany avokoa ny fomba fomba tanterahina rehefa Taombaovao Malagasy, araka ny fomban-drazana. Ny afo izao dia tandindon’ny fahazavana, izany hoe : firariana mba hazava ny lalana hizorana mandritra ny taona vaovao. Tandindon’ny hafanana ihany koa, ho mariky ny fahavelomana, mba samy ho velon’aina. Araka izany, mariky ny fanadiovana izy, entina mandresy ny haizina sy ny ratsy. Mbola maro ireo fomba fanao rehefa tonga ny andron’ny Taombaovao, toy ny androany. Amin’ny 6 ora maraina any ho any izao ny « Mamoha mandry », izay ifampirariana mba ho « arivo tratry ny taona », « ho taona zina », « hifanantitra amin’ny zanaka aman-jafy » ny olon-dehibe, « hitombo taona sy fahendrena » ny ankizy sy ny tanora… Raikitra avy eo ny fandrahoana ny vary sosoa sy ny fitanehana ny ronono ho an’ny « Tatao ». Io ilay vary amin-dronono tondrahan-tantely, izay ifampizaran’ny mpianakavy isan-tokantrano, ho marika fa ho taona mamy sy feno fahasoavana ny taona vaovao hodiovina, « hangidy lavitry ny faty, ho lavitry ny rofy, tsy hisaraka amin'ny sambatra sy ny mananjara ».

Nofon-kena mitam-pihavanana

Mariky ny lanonan-dehibe toy izao, ho an’ny Malagasy, ny famonoana omby. Eo no mifampizara ny manta sy ny masaka dia ny nofon-kena mitam-pihavanana izany. Fotoana hanatanterahana ny « zara hasina » ihany koa ny taom-baovao, hanolorana ny salohim-bary santa-bokatra ho an’ny olon-dehibe manan-kanja, ho mariky ny voninahitra, sady fanolorana ny « jaky » fanome ireo fotsy volo amin’ny tany. Zava-mahery ny tsodrano avalin’izy ireo izany, misy ho entina hamakivaky ny taona manontolo. Marihina fa amin’ity taona ity dia nanapaka daty roa ny « Communauté Royale de Madagascar », ka ny 11 martsa no Taombaovao Malagasy ary ny 3 septambra dia hatao « Fetin’ny Hasim-pirenena iombonan’ny Malagasy ». Ny irarian’ny maro dia ny hanaovana izao Taombaovao Malagasy izao ho andro tsy fiasana, toa ny taombaovao gregôrianina sy ireo fety silamo sy kristianina, mba ho samy afaka mankalaza izany daholo ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka.

Lire la suite

Articles Similaires