• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena Malagasy
Image
Vaovao

Fanolanana : Ny rainy ihany no nanararaotra ara-nofo azy !

08/03/2024 19:01 © Moov

Vao ny maraina teo, nandritra ny fankalazana ny 8 marsa tao Toamasina, no nanambaran'ny vadin'ny Filoham-pirenena fa ireo olona akaiky ihany matetika no sahy mampihatra herisetra. Teto Antananarivo, teny Anozisato teny, dia ny ray niteraka mihitsy no nahavanon-doza tamin'ny zanany vavy.

Fanolanana nandritra ny 3 taona

Lehilahy iray 63 taona no voasambotry ny Polisin'ny CSP 5 Mahamasina tetsy Anosizato Atsinanana androany ny 08 martsa 2024 noho ny resaka fanolanana sy fifamotorana. Nampandre ny mpitandro ny filaminana ny mpiara-monina teo Anosizato fa misy lehilahy nanolana ny zanany vavy 18 taona teo an-toerana. Nosamborina avy hatrany ity lehilahy ity. Fantatra fa nandritra ny telo taona no nanaovany izany fanolonana izany ary efa nitoe-jaza io zanany vavy io saingy notereny nesorina. Natolotra ny sampan-draharaha miaro ny zaza sy ny olona marefo ary miady amin'ny heloka mamoafady kosa ny raharaha.

Fanaparam-pahefana sa fomba ratsy ?

Tsy azo lavina fa mbola misy tokoa ny ray aman-dreny no mampihatra herisetra amin'ny zanaka. Ity farany mantsy dia mbola iantohana na ny fianarana na ny sakafo na ny trano isitrihana. Misy mihitsy ireo raim-pianakaviana, indrindra any ambanivolo any, no sahy mangataka firaisana ara-nofo amin'ny zanany vavy mialoha ny hanambadiany. Heverina ho fisaorana sady fanomezam-boninahitra ilay ray nitaiza sy nikarakara mantsy izany. Tsy vitsy ireo tovovavy no mangina sy manaiky tsy satry satria heverina ho fomba amam-panao izany. Eo ihany koa ny tahotra ny fianakaviana sy ny manodidina. Tsara nefa ny manamarika fa voararan'ny lalàna ny fifamotorana sy ny fanerena olona hiray amin'ny tena raha tsy sitrapony izany.
Ny filoham-pirenena mivady, tany Toamasina hatrany, dia nanamafy fa tena melohina ny fanolanana sy ny herisetra amin'ny endriny rehetra. Efa misy ary azo ampiharina tsara ny famaizana enjana ho an'ireo minia manampatra ny filan-dratsiny, indrindra amin'ny ankizy tsy ampy taona.

Lire la suite

Articles Similaires