• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

8 marsa : Mahazo tombony manokana ireo vehivavy any amin'ny Faritra Atsinanana

08/03/2024 06:30 © Moov

8 marsa : Toamasina, Renivohitry ny faritra Atsinanana, no mandray ny fankalazana ny andron'ny vehivavy amin'ity taona 2024 ity. Efa natomboka tamin'ny fotoampivavahana iraisampinoana ny hetsika rehetra, ny 6 marsa lasa teo.

Omaly 7 marsa no nigadona tao Toamasina ny delegasiona tarihan'ny vadin'ny Filohampirenena, Mialy Rajoelina. Efa nisy ny fandaharam-potoana manokana niarahana tamin'ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'asa. Tsy adino ihany koa ny programa efa maty paika iarahana amin'ny Ministeran'ny Fahasalamana.

Fampiofanana sy fampitaovana ireo vehivavy sahirana

Vehivavy marefo sy mananotena miisa 140, avy any amin’ny faritra Antsinanana, no notolorana milina fanjairana, hety, kofehy ary metatra. Izy ireo moa dia nanaraka fiofana faobe (formation de masse) mahakasika ny zaitra (coupe et couture) nandritra ny folo andro, izay nokarakarain’ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa, tarihan-dRamatoa Minisitra, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY. Nisy ihany koa ny fanolorana mari-pankasitrahana ho mariky ny fahavitan’ny fiofanana narahina.
Izany hetsika izany dia anisan’ny fanatanterahana ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika ny tsy maintsy ampiofanana ny vahoaka mba tsy ho vesatra ho an’ny fiarahamonina. Izany dia voalazan’ny andry stratejika voalohany, dia ny fampandrosoana ny loharanon-karena maha olona (développement du capital humain). Hanjaitra ireo aron’akanjo ho an’ny mpianatra, miisa 3 tapitrisa, ireo vehivavy voaofana sady ampy fitaovana ireo.

Fitsaboana maimaimpoana

Tonga soamantsara ao Toamasina ny Caravane Médicale Sarobidy ny Aiko rehefa avy nitety faritra maro ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. Ity tetikasa ity dia vokatry ny fiaraha-miasan'ny Fikambanana Fitia, tarihin-dRamatoa Mialy RAJOELINA, sy ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka ary ny OMS ho fanolorana tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka indrindra ho an’ny reny sy ny zaza. Olona miisa 12 000 no kendrena hisitraka ny "caravane médicale" ao Toamasina.

Fankalazana ofisialy

Androany 8 marsa no ivon'ny fankalazana ny andron'ny vehivavy. Andro tsy fiasana moa ny androany tontolo andro ho an'ny ankabeazan'ireo vehivavy manerana ny Nosy. Ho an'i Toamasina manokana dia eo amin'ny Esplanade Miami, Boulevard Ratsimilaho" no hanatanterahana ny lanonana. Diabe no amonjen'ireo vehivavy marobe izany toerana mahafinaritra izany. Efa any an-toerana ihany koa ny Filohampirenena Andry Rajoelina hanotrona ny vadiny sy ireo andriambavilanitra rehetra. Maro ihany koa ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta, na lehilahy na vehivavy, no handray anjara mavitrika.
Eo amin'ny esplanade Hotel de Ville Toamasina kosa, manodidina ny 85 moa ireo tranoheva amin'ny hetsika fampirantiana ny fahaiza-manaon'ireo vehivavy. Hita ao anatin'izany ireo minisitera samihafa, ireo fikambanam-behivavy avy amin'ny Faritra 24 ary ireo orinasa tsy miankina avy ao anatin'ny Faritra Atsinanana.
"Vehivavy miarina sy miray hina, firenena mandroso" : io no lohahevitra banjinina androany.

Lire la suite

Articles Similaires