• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Balise
Image
Vaovao

8 martsa : Tokony hisitraka ny zony daholo ny vehivavy Malagasy 13 015 251 isa !

08/03/2024 06:25 © Moov.Mg

Maro an’isa kokoa ny vehivavy noho ny lehilahy eto Madagasikara, araka ny antontan’isa nivoaka tamin’ny fanisana ankapobeny ny mponina sy ny toeram-ponenana (RGPH3). Araka izany, tena manana ny toerany ny vehivavy amin’ny fampandrosoana ny firenena, ka tsy azo atao tsinontsinona.

Zo iraisana amin’ny lehilahy

Andro maneran-tany ho an’ny vehivavy ny 8 martsa. Tsy fetin'ny vehivavy anefa akory androany, fa andro eran-tany itakiana ny fampanajana ny fitovian-jon'ny lahy sy ny vavy. Takiana izany zo izany, izay raha ny tena marina, zon’olombelona, mitovy amin’ny an’ny lehilahy ihany, saingy voahosihosy izy mazàna, eo amin’ny andriambavilanitra. Isan’izany, ohatra, ny :
• Zo hiaina ao anaty tontolo mendrika, tsy feno tebiteby, lavitry ny herisetra isan-karazany
• Zo hianatra sy hisafidy ny lalam-piofanana tiana.
• Zo hiasa sy hanao ny asa tiana sy manavanana, ao anaty fahamendrehana sy tsy arahin-teritery na herisetra.
• Zo hihinana araka ny filàn'ny vatana
• Zo hahazo fitsaboana sy fanaraha-maso ara-medikaly, tsy arahina fanilikilihana, na eson-teny, na fihetsika tsy manaja ny fahamendrehan'ny marary.
• Zo handray anjara amin’ny fanapahan-kevitra rehetra raisina eto amin’ny firenena
• Zo hanana fahafahana maneho hevitra sy ho henoin-teny

Anjara sahala

Raha ireo no tsy voahaja dia ny zon’ny antsasa-manilan’ny vahoaka malagasy izany no voahosihosy. Araka ny antontan’isan’ny RGPH3 mantsy dia 25 674 196 no isan’ny mponina eto Madagasikara. Ny 12 658 945 amin’ireo no lehilahy, izay manome 49,3 %. Ny 13 015 251 isa kosa no vehivavy, izay manome 50,7 %-n’ny mponina. Raha ny tena marina, tsy tokony takiana intsony ireo zo ireo, fa efa voarakitra ao anatin'ny Fanambarana Iraisam-pirenena momba ny Zon'olombelona, tamin'ny 10 desambra 1948. Ampahatsiahivina kosa anefa, isaky ny 8 martsa, fa tokony hisitraka ny zo iaraha-manana amin'ny lehilahy ny vehivavy, amin'ny sehatra rehetra, mba hananan'ny lehilahy sy ny vehivavy vintana mitovy sy anjara sahala.

Lire la suite

Articles Similaires