• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Fanondranana volamena 500 kg : Misedra olana ny fanangonana eny ifotony

07/03/2024 14:24 © Moov.Mg

Roa volana no homena ireo mpanondrana volamena efa nomena fankatoavana (agrément), nanangana “comptoir”, mba hanajany ny lanjana volamena aondrana, mifanaraka amin’izay voasoratra ao anaty fankatoavana, sy ny tsy maintsy hampodiana ny vola eto Madagasikara aorian’ny fanondranana.

Roa volana hamerenam-bola

Noraisina tao anatin’ny filàn-kevitry ny minisitra notanterahina omaly io fanapahan-kevitra io, ka tokony mahavita manondrana ny 15%-n’ny totalin’ny lanja nanomezana fankatoavana azy, fara-fahakeliny, ireo mpanondrana volamena, ary manao ny famerenam-bola mifanaraka amin’izany. Raha tsy mahavita izany izy ireo ao anatin’izay 2 volana izay, dia tsy maintsy hotsoahina amin’izy ireo ny fankatoavana efa nomena azy. Tafiditra ao anatin’ireo asa laharam-pahamehan’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany izao fanapahan-kevitra izao, ankoatra ireo asa maika tokony hotanterahan’ity Ministera ity, ao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’ny Filoha Andry Rajoelina sy nametrahana ny Governemanta.

Fanarahan-dalàna

Momba ireo asa hotanterahina ao anatin’izay 100 andro voalohany izay, dia mitsinjara 3 lehibe ny lamin’asa tsy maintsy tanterahina maika eo anivon’ity ministera ity. Voalohany amin’izany ny fampanaraham-penitra ny fitrandrahana volamena atao tanana, ka mpitrandraka madinika manodidina ny 5.000 isa no kendrena ho tafiditra ao anatin’ny sehatra manara-penitra. Miaraka amin’izay dia hapetraka ny fifehezana isaky ny faritra itrandrahan’izy ireo avy (zone d’encadrement), ka kendrena ho 91 isa izany no ho tafapetraka, ao anatin’ny 100 andro. Ny laharam-pahamehana faharoa dia ny fanomezan-danja ny sehatry ny volamena, amin’ny alalan’ny fametrahana orinasam-pirenena fanadiovana volamena. Ny fanaovana ny fanadihadiana mialohan’ny fananganana izany « raffinerie aurifère nationale » izany no tena hotontosaina ao anatin’ny 100 andro. Ny fahatelo farany dia ny fanatsarana ny fahaiza-mitantana eo amin’ny sehatry ny volamena sy ady amin’ny trafikana volamena. Ao anatin’izany dia toeram-pitrandrahana volamena tsy ara-dalàna miisa 20 no fantatra, ka hirosoana ny fandravana azy sy fanajanonana ny fitrandrahana.

Lafo loatra

Nisy moa ny vina napetraka, dia ny hanondrana volamena 500Kg amin'ny sehatra ara-dalàna, ato anatin'ny 100 andro. Hatreto anefa dia misedra olana izay sehatry ny fanondranana izay, noho ny fahasarotan’ny fanangonana volamena eny ifotony, satria lafo be ny vidin’ny volamena eny amin’ireo mpanivana ankehitriny, araka ny voalaza tao anatin’ny tatitry ny filàn-kevitry ny minisitra. Mbola lafo noho ny vidin’ny volamena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany, ka mbola mila ezaka mafy manokana ny fiaraha-mientan’ny tompon’andraikim-panjakana rehetra voakasika mba hanatrarana ny tanjona napetraka, hoy hatrany ny tatitra.

Lire la suite

Articles Similaires