• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cegos
Image
Vaovao

« Intelligence artificielle » : Azo entina mampiroborobo ny toekarem-pirenena

07/03/2024 09:07 © Moov.Mg

Miroborobo ary efa manomboka tsy azo ihodivirana intsony ny fampiasana ny fahalalana artifisialy na ny « intelligence artificielle » maneran-tany. Manoloana izany indrindra dia misy ireo fanapahan-kevitra tsy maintsy raisina sy paikady tsy maintsy apetraka, mba hahafehezana azy sy mba tsy hihoaram-pefy amin’ny fampiasana azy.

Handrafitra pôlitika afrikanina

Notontosaina ny 4 hatramin’ny 6 martsa lasa teo, tany Yaoundé renivohitr'i Cameroun, ny Fihaonana an-tampon’ny Vondrona Afrikanina misahana ny fampitan-davitra, momba ny fahalalana artifisialy sy ny haino aman-jery (Ai Summit UAR-AUB Unesco). Lahadinika lehibe voaresaka, nandritra izany, ny momba ny fiatrehan'ny haino aman-jery afrikanina ny fivoaran'ny teknolojia, indrindra ny « Intelligence artificielle ». Nivoitra ary fa hanampy ny Vondrona Afrikana amin’ny fandrafetana pôlitika afrikanina momba ny « Intelligence artificielle », toy ny nataon’ny Vondrona Eoropeana, ny UAR (Union Africaine de Radiodiffusion). Ankoatra izay dia hapetraka ny fanaraha-maso ireo haino vaky jery momba ny fahalalana artifisialy (observatoire des medias sur l’Intelligence artificielle). Ankoatra izay, hohamafisina ny fahalalan’ny mpanao gazety sy ny mpiasa amin’ny haino aman-jery, momba izay « Intelligence artificielle » izay.

Fihaonana an-tampony

Firenena afrikanina manodidina ny 48 isa no nandray anjara tamin’ity fihaonana an-tampony ity, ka isan'izany i Madagasikara, izay nandefa delegasiôna nahitana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, Rakotondrasoava Fetra, sy ny Tale Jeneralin’ny Ofisin’ny Radio sy ny Fahitalavitra Malagasy (ORTM), Belalahy Jean Yves. Ny ORTM, izay misy ny Televiziona Malagasy sy ny Radio Madagasikara rahateo, dia mpikambana feno ao anatin’ny UAR. Araka ny fandinihana nataon’ny Kômisiôna ara-toekarena ho an’i Afrika (CEA) ireo antontan-kevitra momba ny fahalalana artifisialy aty amin’ny kaontinanta afrikanina, dia tena azon’ireo governemanta ampiasaina ho fanoitra entina mampiroborobo ny toekarena, ny « intelligence artificielle ». Eto Madagasikara, ny Laboratoire d’Intelligence Artificielle de Madagascar (LIAM), izay sehatra iray tsy miankina sady tsy manana tanjona ara-bola, dia milaza fa manao fikarohana mba ho entina mampiasa ny « intelligence artificielle », mba hamongorana ny fahantrana lalina misy eto amintsika.

Lire la suite

Articles Similaires