• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minjus
Image
Vaovao

Fanolanana zazavavikely tany Imerintsiatosika : Nalefa eny Tsiafahy ilay voarohirohy

06/03/2024 15:15 © Moov.Mg

Nentina teo anatrehan’ny Fampanoavana androany maraina, tao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohan’Antananarivo eo Anosy, ilay lehilahy voampanga ho nanolana ilay zazavavikely 6 taona tany Imerintsiatosika

Voamarin’ny mpitsabo

Henjana ny vesatry ny fiampangana ity lehilahy ity, izay namarinin’ny taratasin’ny mpitsabo, taorian’ny fizahana natao tamin’izay zazavavikely niharan’ny herisetra. Ankoatra ny fanolanana nahazo azy mantsy, dia niharan’ny vono sy ratra ihany koa ilay zaza. Tsy maintsy niatrika fandidiana ity farany, hamonjena ny ainy sy ho fitsaboana azy. Raha tsiahivina ny zava-niseho dia mpiray vodirindrin amin’ny fianakavian’ilay zaza ihany ity nahavanon-doza ity. Mody nirahiny nividy sigara ity zazavavikely ity, tamin’ny alahady lasa teo. Nobatainy, raha efa izany, ary netiny niditra tranon-drazana iray, ka tao no nanamparany ny filàn-dratsiny. Nitsoaka izy, nony avy eo, saingy tratra teto Antananarivo.

Loham-piampangana roa

Raha ny nambaran’ny Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo, Rakotoniaina Narindra Navalona, dia loham-piampangana miisa roa no anenjehana an’ity lehilahy ity. Volohany amin’izany ny fikasana hamono olona, izay voatondro sy faizin’ny andininy faha-2, faha-295 ary 304 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana. Mety hahavoasazy azy hanao asa an-terivozona mandrapahafatiny izany. Ny loham-piampangana faharoa kosa dia ny fanolanana zaza latsaky ny 10 taona, izay voatondro sy faizin’ny andininy 332 vaovao, faha-4 andalana voalohany ary faha-332 bis vaovao, ao amin’ilay lalàna vaovao vao nivoaka laharana 2024-001 tamin’ny 26 febroary 2024, izay nanova sy nameno ny andalana sasantsasany ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana. Ny sazy mety hihatra aminy, amin’ity heloka faharoa iampangana azy ity, dia ny fanaovana asa an-terivozona mandrapahafaty sy ny famosirana ara-pandidiana. Nitaky ny handefasana ny voampanga eny Tsiafahy ny Fampanoavana, mandrapahatonga ny andro hitsarana azy.

Lire la suite

Articles Similaires