• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bngrc
Image
Vaovao

INFORM Risk : Fitaovana hanatsara ny fitantanana ny tandindon-doza

06/03/2024 14:23 © Moov.Mg

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany ny atrikasa ho famolavolana ny INFORM Risk, izay fomba iray entina manamora ny fiatrehana ny loza eto Madagasikara, ary efa ampiasain’ny firenena hafa.

Firenena marefo

I Madagasikara no firenena marefo indrindra aty Afrika amin’ireo loza voajanahary, noho ny toerana misy azy eo anivon’ny ranomasimbe Indianina. Noho izany indrindra dia ilaina ny miomana mialoha, manoloana ireo loza mety hamely, toy ny rivo-doza, ny hain-tany sy ny tondra-drano ary koa ny horohoron-tany. Mety hamoizana ain’olona maro ireo, raha tsy misy fandraisana andraikitra mialoha, mety hamotika fotodrafitrasa betsaka, toy ny trano fonenana, sekoly, hôpitaly sy lalana ihany koa. Tafiditra ao anatin’ny tokony hosorohina, ankoatra izay, ny loza ateraky ny valan’aretina isan-karazany, mba tsy hisian’ny faty olona mikararana sy hananana hatrany ny fitaovana sy ny fanafody ho enti-mitsabo.

Fanangonana antontan-kevitra

Hanomboka hampiasa ilay fitaovana antsoina hoe : « INFORM Risk » isika, ka natomboka androany teny Alarobia ny famolavola ny maodely manokana ho an’i Madagasikara. Araka izany, hatao mifanaraka amin’ny zava-misy eto amintsika izany, nefa koa araka ny traikefa azo tamin’ireo firenena ao anatin’ny SADC, satria dia avy amin’ny toromariky ny SADC ihany koa ny tokony hampiasan’i Madagasikara ity INFORM Risk ity. Hanatsara ny fitantanana ny tandindon-doza, amin’ireo loza voajanahary, ny fikorontanan’ny toetr’andro sy ny tontolo iainana ny fampiasana azy ity. Araka ny fanazavan-dRazafimanantsoa Mirana Miarimanana, tale jeneraly lefitry ny Birao Nasionaly misahana ny Fitantanana ny Tandindondoza sy ny Loza (BNGRC), dia amin’ny alalan’ny fanangonana ireo antontan-kevitra sy antontan’isa izay efa misy no hanatanterahana izany, mba hahafahana mamantatra ireo tandindon-doza ara-boajanahary mety hamely an’i Madagasikara.

Ankizy sy vehivavy

Hojerena manokana ao anatin’ity INFORM Risk ity ny mahakasika ny ankizy sy ny vehivavy, mba hahafahana mahalala ny filàna manokan’izy ireo mandritra ny fandalovan’ny loza sy amin’ny fanarenana ny loza, ka hahafahana mandray fanapahan-kevitra. Manohana ny fametrahana ny INFORM Risk ny rafitry ny Firenena Mikambana eto amintsika, amin’ny alalan’ny Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana ho an'ny Fampandrosoana (PNUD), ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny ankizy (UNICEF), ny Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana momba ny Sakafo (PAM) ary ny Ny Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana misahana ny Sakafo sy ny Fambolena FAO. Manohana ara-bola kosa ny Vondrona Eoropeana sy ny fiaraha-miasa alemana (GIZ).

Lire la suite

Articles Similaires