• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Say Art Et Éducation
Image
Vaovao

« Tsitakakoike » : Boky mampianatra ny ankizy hanaja ny tontolo iainana

06/03/2024 10:06 © Moov.Mg

Hivoaka amin’ny fomba ôfisialy amin’ny sabotsy 9 martsa ho avy izao ny boky mitondra ny lohateny hoe : « Tsitakakoike », nosoratan’i Fenosoa Zafimahova ary i Fleur de Bitume no nanaingo azy an-tsary.

Boky mora vakiana

Dikan-teny malagasin’ilay boky mitondra ny lohateny hoe : « Au pays des baobabs et des zébus », izay nosoratan’i Fenosoa Zafimahova ihany, miaraka amin’ny sary nataon’i Faniry Lalamanjato, fantatra amin’ny anarana maha-mpanakanto azy hoe : Fleur de Bitume, ny « Tsitakakoike ». Boky natao ho an’ny zaza 6 hatramin’ny 10 taona izy ity ary manana tanjona ny hampianatra ny ankizy hanaja ny tontolo iainana. Araka izany, i Madagasikara sy ireo zavaboahariny no tena iompanan’ny boky. Raha ilay boky amin’ny teny frantsay, izay efa nivoaka tamin’ny volana ôktôbra tamin’ny taon-dasa, dia tsy natao hovakiana fotsiny. Misy karazana hetsika sy lalao, azo alaina amin’ny alalan’ny QR Code, mipetraka ao anatiny. Azon’ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra entina manabe ny ankizy izany. Ankoatra izay dia sokajiana ho « dysfriendly » ity boky ity, izany hoe : manamora ny famakian-teny ho an’ireo ankizy manana ilay olana antsoina hoe : « dyslexie ».

Renala lehibe indrindra eran-tany

Raha ny tantara dia renala, na « baobab » lehibe indrindra eran-tany i Tsitakakoike, nirefy 27,30m ny manodidina azy. Tao amin’ny fokontany Andombiry, distirikan’i Morombe, no nahitana azy. Nohasinin’ny mponina tany an-toerana izy ity ary nataony fangataham-pahasoavana. Maty anefa i Tsitakakoike tamin’ny volana mey 2019, rehefa niharam-pahavoazana ny 23 janoary 2018. Efa nahitana solony izy, dia i « Tsitakakantsa », izay lehibe kokoa, satria mirefy 28,90m ny manodidina azy. « Tiako ity tetikasa iray ity satria tsotra sy feno fitiavana be ny mpiara-miasa, ary samy mahalala tsara ny andraikiny daholo, ary indrindra, satria tena tiako loatra ilay tantara kely. Efa ela aho no naniry ny hitondra ny anjara birikiko amin’ny fanovan-toetra momba ny fiarovana ny tontolo iainana, ary amiko, ny fanabeazana ny zaza no tsara hanombohana izany. », hoy i Fleur de Bitume.

Vaky boky sy lalao

Eny amin’ny fivarotam-boky Il Etait Une Fois Ankorondrano no hanatanterahana ireo hetsika hanamarihana ny fivoahan’ny boky « Tsitakakoike ». Ankoatra ny famakiana ny tantara dia hisy ihany koa ireo lalao azon’ireo mpanotrona handraisana anjara. Araka izany, mila misoratra anarana eny amin’ny fivarotam-boky hanatanterahana ny hetsika, ireo izay maniry ny ho avy. Manomboka amin’io sabotsy io dia azo jifaina eny amin’ny fivarotam-boky FAKRA Toamasina sy Il Etait Une Fois Ankorondrano, ho an’Antananarivo, ity boky ity. Azo vidiana ao amin’ny Amazone ihany koa, ho an’ireo monina any ivelan’i Madagasikara. Tsara ny manamarika fa ilay boky « Au pays des baobabs et des zébus », niandohan’ny tetikasa, dia naharesy tamin’ny tetikasa « Petit Projet Culturel 2023 », nokarakarain’ny ivon-toerana ara-kolotsaina malagasy sy alemana (CGM).

Lire la suite

Articles Similaires