• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Balise
Image
Vaovao

Fandrindram-piterahana : Misy akony goavana amin’ny toekarem-pirenena

05/03/2024 16:49 © Moov.Mg

Misy fiantraikany ara-toekarena goavana ny fampiasana, na tsia, ny fomba fandrindram-piterahana. Mbola tsy tratra anefa ny tanjona eto amintsika, raha ny momba ny fampiasana ny fomba fandrindram-piterahana maoderina.

Ambany ny taha any Androy

Mbola latsaky ny 50% ny taham-pampiasana fomba fandrindram-piterahana maoderina eto Madagasikara, araka ny nambaran’i Ndremitsara Tarzan Jean-Baptiste, tale jeneralin’ny Ivon-toerana nasiônaly momba ny Antontan’isa (INSTAT). Raha ho an’ny vehivavy eo anelanelan’ny 15 hatramin’ny 49 taona, dia any ho any amin’ny 43% hatramin’ny 47% ny taham-pampiasana fomba fanabeazana aizana. Efa mihoatra ny 50% kosa, raha miaraka amin’ireo fomba hafa, toy ny ara-boajanahary, araka ny fanazavany. Ny any amin’ny Faritra Itasy sy Vakinankaratra no ambony indrindra ny tahan’ny olona mampiasa fomba fandrindram-piterahana eto Madagasikara, ka manodidina ny 69% izany. Any amin’ny Faritra Androy kosa no ambany indrindra, izay mitaha any amin’ny 11%. Ho an’Antananarivo renivohitra dia 46% ny taham-pampiasana fomba fandrindram-piterahana io.

Zaza 4 isaky ny vehivavy

Ankoatra ny fahasamihafana isam-paritra, dia misy akony amin’ny fampiasan’ny olona fomba fanabeazana aizana ihany koa ny taham-pahaizany. Raha eo amin’ireo sokajin’olona tsy nandia sekoly ela, dia manodidina ny 32% izany taha izany. Raha eo amin’ireo olona nianatra teo amin’ny ambaratonga faharoa no ho miakatra kosa, dia tafakatra any amin’ny 42% ny taha. Tsara marihina fa amin’ny ankapobeny dia miteraka 4 ny vehivavy malagasy anankiray. Raha tsy voafehy io fiterahana io dia mety ho tafakatra avo roa heny amin’ny isa amin’izao ny isan’ny mponina eto Madagasikara, hoy i Ndremitsara Tarzan. Araka izany, mila fotodrafitrasa avo roa heny amin’ny amin’izao ihany koa i Madagasikara, hikarakarana ny mponina, toy ny sekoly sy ny hôpitaly. Etsy an-daniny, hoy hatrany ny fanazavana, any ambanivohitra dia tsy mitsahatra mihena ny tany fambolena, ny olona anefa tsy mitsaha-mitombo isa. Aty an-drenivohitra, ny trano tsy antonona ny mpianakavy intsony. Manamarina ny antony tokony handrindrana ny fiterahana avokoa izany.

Lire la suite

Articles Similaires