• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Ady amin’ny tsifanjariantsakafo : Efa ahitam-bokatra ny ady marolafy

05/03/2024 16:01 © Moov.Mg

Efa nahitam-bokatra ny fanatanterahana ny drafitrasam-pirenena marolafy momba ny Fanjariantsakafo andiany faha-4 (PNAMN 4), araka ny nambaran’ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle, noho ilay fiantomorana « marolafy » nampiharina tao anatiny.

Fampianarana sy fahaiza-manao

Mahasahana lafin-javatra maro sy mahakasika sehatra isan-karazany ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo. Araka izany, omena fampianarana sy fahaiza-manao momba ny fahasalamana hampanjary sakafo ireo ankohonana, eny amin’ireny toby ho an’ny fanjariantsakafo eny anivon’ny Fokontany ireny. Izarana fahaiza-manao momba ny fikarakarana sakafo ihany koa ny ray aman-dreny, omena fiofanana momba ny fambolena sy ny fiompiana, ampisitrahana tolotra momba ny rano fidiovana sy fahadiovana, ary ezahina ampidirina amin’ireo sehatra momba ny fiahiana ara-tsosialy. Tsy adino ihany koa, ao anatin’ny paikady iadiana amin’ny tsifanjariantsakafo, ny fampisakafoanana ny mpianatra, mba hahatrarana ny tanjona fanjariantsakafo any an-tsekoly. Rehefa ampiharina sy miara-tanterahina eny ifotony ireo rehetra ireo dia mahomby ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo, araka ny fanazavan’ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle, mpandrindra nasiônalin’ny Ofisim-pirenena momba ny fanjariantsakafo (ONN).

Vokatra azo tsapain-tanana

Eto Madagasikara dia mbola zaza 4 amin’ny 10 no tratran’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka, 6 amin’ny 100 kosa ny tsifanjariantsakafo mahery vaika. Ny eto afovoan-tany sy ny any amin’ny tany mamokatra no tena ahitana ny tsifanjariantsakafo mitarazoka. Any amin’nyy tapany Atsimon’i Madagasikara kosa no tena ambony ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika. Na izany aza, hatramin’ny nampiharana ny PNAMN 4, izay natomboka tamin’ny taona 2022 ary hifarana amin’ny taona 2026, dia efa nisy ireo vokatra azo tsapain-tanana, araka ny nambaran’ny mpandrindra nasiônalin’ny Ofisim-pirenena momba ny fanjariantsakafo. Hita taratra, hoy izy, fa efa nihena ny tahan’ny zaza tratran’ny fivalanana, nitombo ny fihinanan’ny zaza sakafo miovaova, satria efa miha-mahay mampiasa ireo sokajin-tsakafo rehetra tokony hohanina ny ray aman-dreny. Efa mahay mamboly sy mitantana izany ihany koa ireo olona nahazo fiofanana, ka sady mamokatra hohanina no mivarotra. Tsy vitan’izany fa misy amin’izy ireo no efa sahy mamboly vokatra vaovao tsy mbola fahitany. Etsy an-daniny, efa manomboka tafiditra ao anatin’ny fahazarana ny fitantanana ny fahadiovan’ny tontolo.

Tanjona napetraka ao anatin’ny PNAMN moa ny hampihenana ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mitarazoky ny zaza latsaky ny 5 taona ho 28,4% amin’ny taona 2026. Kendrena ihany koa ny hampihenana ny tahan’ny zaza tsy ampy lanja eo am-pahaterahana ho 13,8%. Ho an’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika dia imasoana ny hitazonana ny tahan’izany ho latsaky ny 5%, hatramin’ny taona 2026. Ny zaza latsaky ny 5 taona sy ny vehivavy bevohoka sy mampinono, no tena kendrena mba hisakafo ara-dalàna, hiadiana amin’ny tsifanjariantsakafo.

Lire la suite

Articles Similaires