• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ue Madagascar
Image
Vaovao

Manompana Analanjirifo : Tokantrano 255 isa no misitraka rano fisotro madio, avy amin’ny AFAFI-NORD

05/03/2024 10:17 © Moov.Mg

Ny hisian’ny fampandrosoana maharitra ao anatin’ny sehatry ny fambolena, amin’ny ankapobeny, no tanjona lehiben’ny fandaharan'asa AFAFI-NORD. Tafiditra ao anatin’ny asa iompanana ny famatsian-drano ireo Faritra misitraka ny fandaharan’asa.

Mamatsy sekoly sy tobim-pahasalamana

Any amin’ny kaominina Manompana, Fokontany Moronivo, Faritra Analanjirofo, tokantrano manodidina ny 255, misy mponina miisa 1 100, no misitraka ny fananganana fotodrafitrasa hahazoana rano fisotro madio, ka mamatsy vola izany ny fandaharanasa fanohanana ny famatsiam-bola ho an'ny fambolena sy ny lalam-pihariana ifotony ho an'ny tapany avaratra, na ny AFAFI-NORD. 2 km miala ny tanàna no misy ny loharano, izay ahitana fanivanana fasika sy toby fitoeran-drano mahazaka 15 m³ ary miparitaka amina paompy miisa 14. Mbola afaka mivelatra mihoatra izany aza ity fitaritan-drano ity. Mamatsy sekolim-panjakana any an-toerana sy ny tobim-pahasalamana fototra ihany koa izany, ka tena ahazoan’ireo mponina tombontsoa ny fisiany. Talohan’ny nanorenana ity toby famatsian-drano ity dia tany amin’ny dobon-drano tsotra no fakan’ny mponina rano, ka tsy azo antoka ny fahadiovany.

Miasa amin’ny Faritra telo

Raha tsiahivina dia fandaharanasan’ny Vondrona Eoropeana ny AFAFI-NORD, ka ny fampandrosoana ny fambolena any amin'ny faritr'i SAVA, DIANA ary Analanjirofo no iompanany. Tafiditra ao anatin’ny asa tanterahina mandritra izany ny famatsiam-bola ireo tetikasa momba ny fotodrafitrasa, toy ny famatsian-drano, fiampitana, tetezana sns. Isan’ny ifantohana ihany koa ireo tolotra rehetra manodidina ny fambolena. Ankoatra izay dia manohana ny seha-pamokarana, mifandray amin’ny fanarenana ny tontolo iainana sy ny fitadiavana tsenam-barotra ihany koa ny fandaharan’asa AFAFI-NORD. Tsy adino ao anatin’izany ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo mpisehatra ao anatin’ny Faritra voakasiky ny tetikasa.

Lire la suite

Articles Similaires