• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisimpirenena Malagasy
Image
Vaovao

Fanolanana tao Imerintsiatosika : Tra-tehaka teo Anosibe i Da-Willy

05/03/2024 09:18 © Moov

Voasambotry ny Polisin'ny CSP5 tetsy Anosibe ny maraina teo ilay lehilahy nanolana zazavavy kely vao 6 taona tany Imerintsiatosika.

Anisan'ny vaovao tena nanohina ny maro tao amin'ny tambazotran-tserasera ny mikasika ny tranga fanolanana tao Imeritsiatosika. Minisitra 3 be izao mantsy no nitsidika ilay zaza 6 taona voaolana teny amin'ny HJRA. Simba tanteraka moa ny fivaviany, ary tataka hatrany amin'ny fivoahan'ny maloto mihitsy. Misy ratra ihany koa ny tarehiny.
Naharay vaovao avy amin'ny olona tsara sitrapo ny Polisy fa misy lehilahy mitovy endrika amin'ilay nanolan-jaza tany Imerintsiatosika matory ao anaty fiara fitateram-bahoaka teo Anosibe. Nidina ifotony ny Polisy tokony tamin'ny 02 ora maraina teo ka voamarina fa tena ilay lehilahy tompon'antoka tamin'ny fanolanana tokoa no hita.
Nosamborina avy hatrany ity lehilahy ity ary natolotra ny sampan-draharaha miaro ny zaza tsy ampy taona sy miady amin'ny heloka mamoafady.

Lire la suite

Articles Similaires