• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mps
Image
Vaovao

Trangana fanolanana tany Imerintsiatosika : Mitaky sazy henjana ny renin'ilay zaza 6 taona

04/03/2024 15:51 © Moov.Mg

Mirongatra ny fanolanana amin'ny fomba feno habibiana, na dia efa mitatao eo ambony lohan'ireo tsy mahafehy ny filàny aza, ny sazy henjana ho an'ireo mpanolan-jaza. Tany Imerintsiatosika indray no nitranga ity zava-mamohehatra ity.

Mpiray vodirindrina ihany

Zazavavikely vao 6 taona monja no niharan’ny fanolanana omaly, tao Imerimandroso Imerintsiatosika. Lehilahy 23 taona, mpiray vodirindrina amin'izy ireo ihany, no voalaza fa nahavanon-doza. Araka ny fitantaran'ny renin'ilay zaza dia mody nirahin'ilay lehilahy nividy sigara ity zazavavikely ity ary nentiny tany an-tranony avy eo. Tao no nanamparany ny filàn-dratsiny. Tsy vitan'ny potika ilay zazavavy, fa mbola feno ratra ihany koa ny vatany, noho ny herisetran'ilay mpanolana. Rehefa vitany ny filàn-dratsiny dia nitsoaka ilay tovolahy ary efa namoahan'ny polisy filazana fikarohana.

Mangataka fanampiana

Nentina namonjy ny hopitaly CHUJRA Ampefiloha ilay zaza, ka noraisin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka an-tanana ny fitsaboana rehetra, dia ny fandidiana sy izay mety ho fitsaboana manaraka rehetra ilainy. Mangataka sazy henjana ho an'ilay nahavanon-doza kosa ny renin’ilay zaza, mba tsy ho vitavita mora foana, hoy izy izao zava-motranga izao, ka mba tsy hivoaka any am-ponja intsony ilay tovolahy nahavanona izao herisetra izao tamin'ny zanany. Mangataka fanampiana ihany koa ny fianakaviana amin’ny fitsaboana ilay zaza, izay marihina fa efa kamboty ray. Isan’ny efa nitondra ny anjara birikiny ny ministeran’ny Mponina sy ny Firaisan-kina ary ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Lire la suite

Articles Similaires