• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ecpat
Image
Vaovao

Fanararaotana mamoafady mahazo ny ankizy : Tokony ho sahy mitoroka ny rehetra

04/03/2024 14:11 © Moov.Mg

Mahatratra 5 tapitrisa isan-taona maneran-tany ny olona tratran’ny fanararaotana mamoafady, raha ny antontan’isan’ny Birao Iraisam-pirenena momba ny asa (OIT). Ny vehivavy no ankamaroan’ny iharan’izany ary ankizy ny 1/5. Efa mihamaro ihany koa ny ankizilahy.

Misy karazany efatra
Isan’ny misehatra amin’izany ady amin’ny fanararaotana mamoafady izany ny fikambanana tsy miankina ECPAT France Madagascar ary ny ankizy no iompanan’ny asa tanterahan’ny fikambanana. Misy karazany 4 izy ireo, araka ny fanazavan’ny Dr ANDRIAMARO Annick, talen’ity fikambanana ity eto Madagasikara. Eo ny fampivarotan-tena ny ankizy, ny famarinana ankizy (traite des enfants), ny fanararaotana mamoafady atao amin’ny ankizy amin’ny alalan’ny fizahantany sy ny dia ary ny fanararaotana mamoafady an’habaka. Marihina androany 4 martsa ny andro maneran-tany iadiana amin’ny fanararaotana mamoafady. Noho ireo asa sahaniny ireo dia nanatanteraka hetsika ho entina manamarika ity andro androany ity ny ECPAT France Madagascar. Andiany faha-16 ity fankalazana ity. Fihaonana tamin’ny mpanao gazety sy ireo mpisehatra amin’ny haino vaky jery no notanterahina niaraka tamin’ny ECPAT androany, tamin'ny alalan'ny atrikasa fakan-kevitra, mba hanamafisana ny fahavononan'izy ireo hiady amin'ny fanararaotana mamoafady atao amin'ny ankizy.

Fandraisan’andraikitry ny rehetra

Nisy, nandritra izany, ny fampahafantarana momba ity lohahevitra ity. Nisy ihany koa ny fifampizaràna momba ireo mety ho filàna ara-atontan-kevitra sy ara-piofanana, hahafahan’ireo mpanao gazety manatevina ny fahalalany sy ny fahafahany mitrandraka ary mamoaka vaovao araka ny tokony ho izy. Etsy an-daniny, ny ECPAT France Madagascar dia nanamafy ny fahavononany hiaro ny ankizy amin'ny fanararaotana mamoafady. Tafiditra ao anatin’izany ny tetikasa izay vao natomboky ny fikambanana ary tohanan’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF) ara-bola. Tanjon’izany tetikasa izany ny manamafy ny fahalalana sy ny fahaiza-manaon’ireo olona rehetra voakasiky ny ady amin’ny fanararaotana mamoafady mahazo ny ankizy, izay tanterahina amin’ny Faritra maro eto Madagasikara, araka ny fanazavan-dRatianarimanana Heriniaina, miandraikitra ny asa fisorohana ny fanararaotana mamoafady ao amin’ny ONG ECPAT France Madagascar. Andraikitry ny rehetra rahateo ny miady amin’ity zava-doza ity, ka manentana ny amin’ny tokony hahasahian’ny rehetra mitoroka ny ECPAT.

Lire la suite

Articles Similaires