• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Onu Info/Daniel Dickinson
Image
Vaovao

« Tsikonona » : Beazina hahay hikarakara sakafo tsotra nefa ara-pahasalamana ny ankizy

04/03/2024 09:56 © Moov.Mg

Amin’ny mahamarolafy ny ady atao ho an’ny fanjariantsakafo dia manana anjara toerana lehibe ny fanabeazana. Isan’ny antony nikarakaran’ny Firenena Mikambana miasa eto Madagasikara ny fifaninana « Tsikonona » izany, mba hampandraisana andraikitra ny ankizy, ao anatin’izany ady iombonana izany.

Sakafo tsy mahazatra

Papay manta nandrahoina, nolaroina atody tsy misy akora simika sy anandrano, nasiana saosy vinegrety amin’ny voasary laoranjy sy garana. Mangahazo saosy miaraka amin’ny trondro, nampiana ananambo sy anamalaho. Saladim-boankazo amin’ny voandraketa, voazavo (pastèque) sy akondro ary nampiana ranom-boasary. Santionan’ny sakafo hafakely, tsy mahazatra nefa feno otrikaina, nokarakarain’ny mpianatra ao amin’ny sekoly ambaratonga fototra Beambo Ambovombe, Faritra Androy izany, tao anatin’ny fifaninanana « Tsikonona » nandraisan’izy ireo anjara. Manantena ireo mpifaninana fa hahavita mandresy lahatra ny ray aman-dreniny hihinana izany karazan-tsakafo izany. Tanjon’ity fifaninanana ity ny hamoronan’ireo mpianatra karazan-tsakafo feno otrikaina, matsiro, nefa tsy andaniam-bola be no sady tsy mitady lavitra, fa izay vokatry ny tany ihany no ampiasaina. Anjaran’izy ireo indray avy eo no manoro ny ray aman-dreniny ny fomba fahandro ara-pahasalamana, araka izay lesona voarainy nandritra ny fifaninanana.

Mila tohana

Raha ny tatitra momba ny tsifanjariantsakafo IPC (Integrated Food Security Phase Classification) nivoaka ny volana septambra 2023 dia olona 458 860 isa monina any amin’ny tapany Atsimon’i Madagasikara no mety ho tratran’ny tsifanjariantsakafo, eo anelanelan’ny volana septambra 2023 hatramin’ny volana aprily 2024, raha tsy mahazo fanohanana. Tafiditra ao anatin’ny tohana omen’ny Firenena mikambana ny « Tsikonona », ankoatra ireo fanampiana hafa, toy ny fiaraha-miasan’ny Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana misahana ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO) amin’ireo koperativan’ny vehivavy mpamboly any an-toerana, mba hampiakarana ny tahan’ny vokatra. Raisisin’ny Fandaharanasan'ny Firenena mikambana momba ny sakafo (PAM) izany vokatra izany avy eo, mba ho entina manatanteraka fampisakafoanana an-tsekoly. Mitondra voka-tsoa maro izany fiaraha-miasa izany : fanamafisana ny lafiny ara-pahasalamana eo amin’ny mpianatra, fampihenana ny tahan’ny fialana an-daharana an-tsekoly, fampivoarana ny toekarena ifotony.

Ady marolafy

Eo amin’izay fanamafisana ny fahasalaman’ny ankizy izay, dia nanamboatra fotodrafitrasa fahazoana rano ampiasaina ao an-tsekoly ny Tahirin’ny firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF), nanorina fotodrafitrasa fivoahana sy fidiovana ihany koa ary nanome fiofanana ny mpianatra sy ny mpampianatra momba ny fidiovana sy ny fahadiovana. Ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Asa (OIT) ihany koa dia nanohana, tamin’ny alalan’ny fotodrafitrasa, ka nanorina efitranon-tsekoly miisa roa sy lakozia, sady nanolotra dabilio ho an’ny mpianatra sy birao ho an’ny mpampianatra. Mponina tany an-toerana ihany no nomen’ny OIT fiofanana ka nanatanteraka ny fanorenana, mba ho fanampiana amin’ny fampananan’asa any an-toerana. Ny Drafitra Nasionaly momba ny Sakafo andiany faha-4 (PNAMN 4) dia nametraka fa ady marolafy ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo. Taratr’izany ny asa ataon’ireo rafitry ny Firenena Mikambana any amin’ny sekoly ambaratonga fototra Beambo Ambovombe.

Lire la suite

Articles Similaires