• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Andro manerantany ho an'ny fiainana dia : Nankalazaina tao Morondava

04/03/2024 05:19 © Moov

Morondava no nandray ny fankalazana ofisialy ny "Andro manerantany ho an'ny fiainana dia" teto Madagasikara tamin'ity taona 2024 ity. Omaly 3 martsa no nanatanterahana izany, tao amin'ny fokontany Kivalo kaominina Marofandilia.

"Fampifandraisana ny olombelona sy ny tany : fampiasana ny haivao teknolojika amin'ny fiarovana ny zavamananaina dia" : izany no lohahevitra noraisina. Tsy tananan'olombelona ihany mantsy ankehitriny no afaka manatanteraka ny famerenana an'i Madagasikara ho nosy maitso. Omaly dia velaran-tany 50ha no novolena voana afiafy tamin'alalan'ny drone ary 50ha novolena honko tamin'ny tanana niaraka tamin'ireo mponina tao Morondava sy ny mpiara-miombon'antoka amin'ny Ministeran'ny Tontolo iainana. Marihana fa 15 minitra monja no ilain'ny drone hamafazana voa amin'ny tany 1ha. "Mifameno tanteraka ny haivao teknolojika sy ny fiarovana ny zavamananaina ka tsy maintsy irosoana hahazoana vokatra tsaratsara kokoa araka ny namaran'Andriamatoa Minisitra.
Ankoatra ny fambolen-kazo moa dia azo ampiasana ny teknolojia vaovao ihany koa ny asa ataon'ireo mpikaroka sy ireo mpitantana valanjavaboahary amin'ny faritra arovana, ...

Lire la suite

Articles Similaires