• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintimbaovao : Ireo vaovao nisongadina ny 26 febroary hatramin'ny 2 martsa 2024

04/03/2024 04:49 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny 26 febroary hatramin'ny 2 martsa 2024. Tsy ny teto Antananarivo ihany no ho resahina, fa ny avy any amin'ny Faritra maro ihany koa.

Tiorkia # Antalya Forum Diplomatique 2024

Nandritra ny telo andro hanatanterahana ny Antalya Forum Diplomatique 2024, dia ny 1 ka hatramin’ny 3 martsa 2024 lasa teo. Nanotrona izany ny delegasiona malagasy, izay notarihan'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Rafarafavitafika Rasata. Filoham-panjakana manodidina ny 20 moao no voaasa manokana tany an-toerana.
Mihamafy orina ny fifandraisan'i Madagasikara sy Torkia. Notanterahina nandritra izany ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa ho fampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra sy fametrahana vaomiera iombonana ara-toe-karena. Noresahan'ny Filoha roa tonta ihany koa ny lalam-piaraha-miasa eo amin’ny sehatra hafa toy ny fotodrafitrasa, ny fizahantany, ny fambolena sy fiompiana, ny fiarovam-pirenena ary ny fanamboarana ny tanàna vaovao ao Imerintsiatosika.

Andron'ny vehivavy # Sarobidy Ny Aiko

Niainga teo amin’ny HJRA Anosy ny 1 martsa lasa teo ireo fiara misy fitaovana sy fanafody. Ireo mponina ao Manjakandriana, Brickaville sy Fenoarivo Atsinanana ary Toamasina renivohitra no hisitraka ireo karazana tolotra ara-pitsaboana maimaimpoana. Ny Association Fitia moa no mikarakara izany rodoben'ny fahasalamana izany, noho ny fankalazana ny andron'ny vehivavy. Mifanome tanana amin'izany ny Ministeran'ny Fahasalamambahoaka, ny ny Polisim# pirenena Malagasy, ny Ministeran’ny Mponina sy firaisankina ary ireo mpiaramiombonantoka maro.
"Vehivavy miarina sy miray hina, firenena mandroso" : io no lohahevitra raisina amin'izany.

Fadintseranana Malagasy # Fanamarinana ISO 9001

Nahafeno ny fenitra takian’ny ISO 9001-2015 ny "Centre de Valeur" eo anivon'ny Fadintseranana Malagasy. Noho ny fanavaozana mahomby napetraka mba hanomezana fahafahampo ny mpanjifa moa no tena nahatratrarana izany fenitra izany. Tsy adino ny fandaminana tsara petraka indrindra mikasika ny fiarovana ny harem-pirenena. Notanterahina ny talata 27 febroary 2024 moa ny fanolorana tamin'ny fomba ofisialy ny mari-pankasitrahana avy amin'ny orinasa Certi-Trust ICTS, teny amin'ny Le Louvre Hôtel & Spa Antaninarenina. Marihana fa ny "Centre de Valeur" no manara-maso ny sandan'ny entana rehetra ampidirina eto Madagasikara, ankoatry ny fiarakodia.

Antananarivo # Nahazo PDS vaovao

Ny 1 martsa lasa teo no nampahafantarana tamin'ny fomba ofisialy ny PDS vaovao eo anivon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy iza izany fa Andriamatoa Ramanambitana Richard Barjohn. Efa nisahana andraikitra maro teo anivon'ny Fiadidiana ny tanàna ny tenany, ary Loholon'i Madagasikara ihany koa. Hanohy ireo asa efa natomboky ny Ben'ny Tanàna teo aloha, Naina Andriantsitohaina, ny tenany, sady hanatanteraka tetikasa vaovao maro. Mbola hisy ny fanendrena ireo mpiara-miasa aminy. Hiantsoroka ny asan'ny Ben'ny Tanàna izy mandra-pahavitan'ny fifidianana sy ny fandaminana rehetra.

Morondava # Fambolena Honko

Velaran-tany 50ha no novolena voana afiafy tamin'alalan'ny drone ary 50ha novolena honko. Izany no nanamarihana ny fankalazana ny "Andro manerantany ho an'ny fiainana dia" teto Madagasikara, omaly 3 martsa. Tao Kivalo, Morondava moa no nanaovana izany hetsika izany. Nanolotra masinina fanjairana miisa 6 ho an'ireo fikambanam-behivavy ao Marofandilia ny Minisitry ny Tontolo iainana, Max Fontaine, izay vokatry ny fiaraha-miasa amin'ny WWF Madagascar ao Morondava.

Taolagnaro # Pic Saint-Louis

Hametrahana fotodrafitrasa hanamora ny fitsidihan'ny sokajin-taona rehetra azy ny Pic Saint Louis any Taolagnaro. Hisy ny tohatra hitondra amina lalam-pitsidihana (circuits) miisa 3 mitondra any amin'ny 600 metatra misy ny tendron'ity tendrombohitra ity. Valo volana no faharetan'ny asa ary kendrena ho azo tsidihina mialoha ny faran'ny taona. Hamafisina koa ny fampahafantarana azy maneran-tany sy ny fikojakojana ireo fotodrafitrasa. Tafiditra ao anatin'ny tetikasa PIC (Pôles intégrés de Croissance) moa ny famatsiambola amin'izany, izay vita fifanarahana sonia tamin'ny alakamisy 29 febroary lasa teo.

Mahajanga # Fitsirihana ireo orinasa mpiompy dingagingana

Nanatanteraka fitsidihana tampoka ireo Orinasa misehatra amin'ny fiompiana digandingana (concombre de mer) tao Mahajanga, fokontany Mahavoky, ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga sy ny ekipany. Ireo orinasa nahazo alalana dia ny SANTI EXPORT sy YANG HUAGEN moa no notsidihana tamin'izany. Ny fijerena ny "stock" ananan'izy ireo sy ny fanadihadiana momba ny toerana niavian’ireo vokatra ireo no tena natao tamin'izany. Tsy nisy fanahiana moa ireo fitaovana sy vokatra hita tamin'ireo orinasa roa ireo.

Antsiranana # Famahana olana eny amin'ny fonenan'ny mpianatry ny Oniversite

Nitsidika ny Oniversiten’Antsiranana ny Minisitry ny Fampianarana sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Dr Razafiharison Andriamanantena, ny 2 martsa lasa teo. Nihaona sy nitafa tamin’ny mpianatra ny tenany. Ho fitadiavam-bahaolana manoloana ireo fitakian'ny mpianatra dia napetraka ny vato fototra hanorenana toeram-pandrahoana sakafo ho azy ireo, izay hatsangana manoloana ny trano fonenana vaovao R+1 sy ny fanamboarana lavadrano ao amin'ny Campus. Vinavinaina ho vita ao anatin'ny roa herinandro ireo asa ireo.

Vakinankaratra # Ambulances avy amin'ny governemanta Japoney

Voasonia ny 27 febroary lasa teo ny fifanarahana ny amin'ny fanomezana Ambulances ho an'ny Faritra Vakinankaratra. Ny fanjakana Japoney moa no hanolotra famatsiambola mitentina 257 tapitrisa ariary. Miisa roa ireo Ambulance izay ho atolotra amin'izany. "Recyclés" moa ireo fiara ireo, izany hoe namboarina tamin'ny akora efa avy nampiasaina, mba ho fandraisana anjara amin'ny fiarovana ny tontolo iainana.
Natao hitaterana ireo marary mila fitsaboana maika moa ireo fiara ireo, indrindra ireo mipetraka any amin'ny toerana lavitra ny renivohitr'i Vakinankaratra.

Japana # Nankalaza ny fetim-pirenena

Ny 29 febroary lasa teo no nahatsiarovana ny fetim-pirenen'i Japana. Nisy ny fanamarihana manokana izay notontosaina teto Antananarivo. Nandritra izany no nampahatsiahivan'ny ambasadaoron'i Japana eto Madagasikara, Abe Koji, ny fiarahamiasa mahomby iarahana amin'ny firenena Malagasy. Nanao antso ihany koa ny tenany, ny amin'ny hijerena manokana ny orinasa Ambatovy, izay misedra olana ara-bola noho ny fidinan'ny vidin'ny Nickel eo amin'ny sehatra iraisampirenena. Notononiny manokana tamin'izany ny famerenana ny TVA izay nalohan'Ambatovy tamin'ny Fanjakana Malagasy. Ny 1 martsa lasa teo moa dia nisy ny fihaonana teo amin'ny Praimisitra sy ireo solontenan'ny orinasa Ambatovy.

Lafrantsa # Nanolotra boky fianarana sy fialamboly

Notoloran’ny masoivohon’i Frantsa eto Madgasikara boky ho an’ny tanora miisa 2168 ary kilalaon-tsaina "Lamako" miisa 80 ny Tranombokim-pirenena Malagasy. Ny iray ampahatelon’ireo boky ireo dia amin’ny fiteny Malagasy sy Frantsay ary ampahany betsaka no hozaraina any amin’ireo ivotoerana famakiana boky CLAC, trano famakiam-boky tsy miankina ary sekoly ao amin’ny faritra miisa efatra (Analamanga, Boeny, Amoron’i Mania, Sava).
Niantso ny fanohanan’ireo mpiaramiombon’antoka toy ny masoivoho frantsay, ireo ivotoerana frantsay toy ny IFM sy ny Alliances Françaises ary ny AFD ny minisitry ny kolontsaina, ho fanampiana ireo mpanoratra Malagasy amin’ny fanontana ny sanganasan’izy ireo.

Abou Dhabi# Vondron'ny tany mpamokatra lavanila

Resin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy lahatra amin’ny hivondronana anaty rafitra iray manan-danja ireo Firenena lohalaharana amin’ny famokarana lavanila eran-tany. Naneho fahavononana avy hatrany hiara-hanangana izany rafitra lehibe izany ny solontenan’ireo tany mpamokatra lavanila toa an-dry Ouganda, Papouasie Nouvelle Guinée, Comores. Anisan’ireo tombontsoa ho azo amin’ny fijoroan’ity Vondrona ity ny fahamarinan-toeran’ny vidin'ny lavanila eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, ny fampiroboroboana sy ny hisian'ny fampandrosoana maharitra eo amin'ilay seham-pihariana, ny fahitana tsena vaovao ary ny fampahafantarana amin'ny mpanjifa maneran-tany ny lavanila tena mbola natoraly.

Mpanjaka Sakalava Toera # Hampodiana ny karandohany

Hampodiana eto Madagasikara ny "karandoha na kabeson'ny Mpanjaka Sakalava Toera". Hotanterahina ny volana martsa izao ny fivoriana voalohany iarahan’ny teknisiana sy manam-pahaizana malagasy amin’ireo teknisiana sy manam-pahaizana frantsay, handaminana ny fampodiana izany eto amintsika amin’ity taona ity. Ny alatsinainy 26 febroary lasa teo moa no nihaona ny Masoivoho Frantsay miasa sy monina eto Madagasikara Arnaud Guillois sy ny Minisitry ny Kolonntsaina Augustin Andriamananoro. I Frantsa moa dia vao avy nampandany ny lalàna vaovao mamaritra ny rafitra ankapobeny manamora ny famerenena amin’ireo firenena izay nanao fangatahana, ireo vakoka samihafa na taolambalo.

METFP # Journée des établissements

Miisa 226 ny efitranon-tsekoly LTP sy toeram-piofanana CFP narenina sy natsaraina tao anatin'ny andron'ny ivon-toeram-panofanana teknika manerana ny Nosy, tamin'ny alalan'ny hetsika Tagnamaro fanaon'ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak'Asa. “Manavao sy manarina ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa ho fanoitran’ny tena fampandrosoana” : io no lohahevitra noraisina tamin'izany. Ny fandokoana ny anatiny sy ny ivelan'ny trano fianarana/ fiofanana sy ny fanadiovana ireo dadilio no tena natao tamin'izany. Nisy ihany koa moa ny hetsika ara-panatanjahan-tena notanterahina tao amin’ny Kianja Manara-penitra tao Morondava, Faritra Menabe.

Lire la suite

Articles Similaires