• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dgd
Image
Vaovao

Fadintseranana Malagasy : Namboly hazo fihinam-boa tao Ambatolampy

02/03/2024 19:29 © Moov

Nanatanteraka ny adidiny amin'ny famerenana an'i Madagasikara ho nosy maitso ny ekipan'ny Fadintseranana Malagasy. Hazo fihinam-boa no nambolena tao Ambatolampy, tao amin’ny lemaka ambanin’ny tandavan-tendrombohitr’Ankaratra, ny zoma 1 martsa lasa teo.

"Fiarovana ny tontolo iainana, fampiroboroboana, manome lova ho an'ny hoavy": izany no lohahevitra noraisin'ny Fadintseranana Malagasy tamin'ny fambolenkazo notontosainy omaly. Tafiditra ao anatin'ny fandaharan'asa sosialy izay mifandray tendro amin’ny fiarovana ny tontolo iainana izany. Voankazo miisa 2 500 fototra no nambolena ka voasay ny 580 isa, 530 ny papay, 430 ny paoma, 100 ny poara, 540 ny paiso ary 320 ny zavokà. Marihana fa efa manana tany midadasika 110 hektara ny Fadintseranana Malagasy, izay nanatanterahana ny fambolenkazo, mba hamokarana ho an'ireo mpiasa am-perin’asa sy ireo efa misotro ronono. Azo heverina ny hampidirambola amin'ny alalan'ny fivarotana ireo vokatra atsy ho atsy mba hamatsiana ny fisotroan-dronono.

Niara-niosina tamin'ny fambolena izany voankazo marobe izany ny mpiara-miasa ao amin'ny Fadintseranana Malagasy, ireo solotenan’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Mpanolotsaina ny Lehiben'ny distrikan'Antanifotsy, ny Lefitry ny Ben'ny tanànan'Ambohimandroso ary ny Sefom-pokontanin'ny Ihazolava.


Copyright Image : © DGD

Lire la suite

Articles Similaires