• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ambassade Du Japon
Image
Vaovao

Fahasahiranan'ny orinasa Ambatovy : Hikaro-bahaolana ny Fanjakana Malagasy

01/03/2024 21:09 © Moov

Notsipihan'ny ambasadaoron'i Japana manokana, nandritra ny fankalazana ny fetimpirenena Japoney, ny mikasika ny fahasahiranana ara-bola mianjady amin'ny Orinasa Ambatovy.

Fikaroham-bahaolana maharitra

Vao omaly 29 febroary no nanipy resaka mikasika ny orinasa Ambatovy ny ambasadaoron'i Japana eto Madagasikara, Abe Koji. Misedra olana ara-bola tokoa mantsy io kaompania mpitrandraka Nickel sy Cobalt io. Izany moa dia noho ny fidinan'ny vidin'ny Nickel eo amin'ny tsena iraisam-pirenena. Betsaka kokoa mantsy ny tolotra noho ny tinady.
Noraisin'ny Praiminisitra, Ntsay Chritsian, androany 1 martsa ny Masoivohon’i Japon Abe Koji sy ny delegasiona avy amin’ny orinasa Ambatovy izay notarihan’ny Filohany Andriamatoa Gustavo Gomes. Teny amin'ny lapan'i Mahazoarivo no notanterahina ny fihaonana. Nisy araka izany dinika manokana mahakasika ny orinasa Ambatovy izay ireo Japoney no tompon’ny petra-bola lehibe indrindra miasa ao. Mitohy hatrany mantsy ny fitrandrahana sady tsy misy ny fandroahana mpiasa.
Mbola tsy nisy kosa nefa ny fanambarana ofisialy ny amin'ny fandraisan'ny Fanjakana Malagasy anjara ny amin'ny fanarenana sy fanohanana an'Ambatovy. Raha tsiahivina, nangataka ny hamerenan'ny Fanjakana Malagasy ny TVA efa naloha hatramin'izay ny Ambasadaoron'i Japana eto Madagasikara.

Fiarahamiasa mitohy

Azo lazaina fa mahomby hatreto ny fiaraha-miasa misy eo amin'i Madagasikara sy Japana. Azon'ny firenena Malagasy tohizana tsara ireo ezaka rehetra ny fanintonana ireo mpamatsy vola vahiny avy any amin'io firenena io. Nampahatsiahy kosa nefa ny Ambasadaoron'i Japana fa tokony hanana masoivoho miasa sy monina any an-toerana indray i Madagasikara.
Nanamafy ny roa tonta, dia ny Fanjakana Malagasy sy Japoney, fa hanamafy bebe kokoa ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafin’ny fanofanana arak'asa ny tanora malagasy na aty andrenivohitra na any ambanivohitra.

Lire la suite

Articles Similaires