• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena Malagasy
Image
Vaovao

Fisolokiana : Mpitrandraka "mercure" sandoka tra-tehaky ny polisy

01/03/2024 20:40 © Moov

Ramatoa 73 taona no voasoloky vola 5 500 000 ariary noho ny fividianana "mercure" sandoka. Tra-tehaky ny polisy soa aman-tsara ny olona nisoloky azy.

Harena sarobidy tokoa ny "mercure". Lehilahy iray no nilaza fa manana azy io ka tsy nisalasala naka volabe tamin'ny mpividy iray teto Antananarivo. Nilaza ranamana fa avy any Port Bergé ny vokatra. Marihana fa efa hatramin'ny taona 2022 no nanombohany nangalana vola tamin'ilay ramatoabe mba hampandehanany ny fitrandrahana.
Nataony tao anaty tavoahangy kely ny rano izay nolazaina fa "mercure" ka nafeniny tanaty voatavo. Rehefa tonga tany an-tranon'ilay mpividy dia voamarina fa ranon-javatra tsy fantatra no nentin'ilay lehilahy fa tsy "mercure" velively. Nahomby ny vela-pandrika napetraky ny mpitandro ny filaminana rehefa naharay fitarainana tamin'ilay mpividy. Ity farany izay nanatena fa mpitrandraka mahay tokoa ilay ranamana.
Ny 28 febroary lasa teo moa no voasambotra ilay mpisoloky. Omaly ny tenany no natolotra ny fampanoavana ka notanana vonjimaika eny amin'ny fonjan'Antanimora.

Lire la suite

Articles Similaires