• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Msp
Image
Vaovao

Fahasalamana : Hitsabo maimaim-poana ny mponina any Atsinanana ny « Caravane médicale »

01/03/2024 14:29 © Moov.Mg

Niainga androany maraina teny amin’ny hôpitaly CHUJRA ny fiaraben’ny fahasalamana, na « caravane médicale », ao anatin’ilay hetsika « Sarobidy ny aiko », karakarain'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Association Fitia, ary handraisana an-tanana mamaim-poana ny fahasalaman'ny mponina.

Hamakivaky Faritra 3

Ny Faritra Alaotra Mangoro, Atsinanana ary Analanjirofo no hiantsonan’ny fiaraben’ny fahasalamana, izay niainga androany maraina teny amin’ny HJRA Anosy. Ny sabotsy 2 martsa dia ao amin’ny Kianjan'Ambohibary, distrikan’i Moramanga, no hijanona izany fiara izany, hanolotra fitsaboana maimaimpoana ho an’ireo mponina ao an-toerana. Ny 3 martsa dia ao amin’ny kianja Maromamy Brickaville indray no hiantsonany. Ny 5 martsa kosa dia afaka ny hisitraka izany fitsaboana maimaim-poana izany ny ao Fenoarivo Atsinanana, eo amin’ny araben’ny fahaleovantena, ary ny 7 martsa dia ao an-drenivohitr’i Toamasina no hahitana izany « caravane médicale » izany. Hitohy amin’ny fanamarihana ny andron’ny vehivavy ny hetsika, ny 8 martsa, ao an-drenivohitra Betsimisaraka hatrany.

Fahasalamana sy ady amin’ny herisetra

Tolotra ara-pahasalamana maro no ho hita mandritra ny « caravane médicale ». Hisy ny fizaham-pahasalamana ankapobeny ho azon’ireo daholobe sitrahina. Ahitana fitaovana raitra rahateo ao anatin’ny fiaraben’ny fahasalamana. Hisy ihany koa ireo karazana fitiliana sy fitarafana, ny fitsaboana ny aretin'ny nify sy ny ati-vava, ny fizahana maso sy sofina, ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza, ny tolotra fandrindram-piterahana… Hisy, ankoatra izay, ny fanentanana momba ny ady atao amin'ny herisetra sy ny heloka mamoafady, indrindra ny fanararaotana ara-nofo atao amin'ny zaza, iarahana amin’ny Polisim-pirenena, amin'ny alalan'ny « Brigade Féminine de Proximité ». Horaisin’izy ireo an-tanana ireo niharan'izany, amin'ny alalan'ny fanomezana torohevitra sy torolalana. Mandray anjara ao anatin’izao hetsika « caravane médicale sarobidy ny aiko » izao ihany koa ireo mpiara-miombon'antoka sy mpiara-miasa, toy ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA).

Lire la suite

Articles Similaires