• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Taom-panjonoana makamba 2024 : Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany

01/03/2024 11:49 © Moov.Mg

Mitazona ny 12,05%-n’ny tsena aty Afrika ny vokatra makamba avy eto Madagasikara. Rehefa niato tamin’ny volana desambra lasa teo ny fotoam-panjonoana makamba dia niverina nisokatra indray, nanombok androany.

Vokatra fanondrana

Tafakatra 15 000 000 000 ariary ny vola nampidirin’ny seha-pihariana makamba tao amin’ny tamin’ny kitapom-bolam-panjakana malagasy, tamin’ny taona 2023, raha nanodidina ny 2.900 000 000 ariary isan-taona izany, talohan’ny taona 2021. Raha ny tatitry ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) dia aondrana any ivelany ny 90%-n’ny vokatra makamba eto amintsika. Firenena maro no mandray izany, ka voalohany amin’izany i Frantsa, izay nandray makamba 5 085 taonina tamin’ny taona 2021, i Sina nanondranana makamba 918 taonina ary i Espaina nandefasana makamba 224 taonina. Araka ireo antontan’isa ireo, isan’ny mampidi-bola ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana malagasy ny seha-pihariana makamba.

Nosokafana tany Mahajanga

Mba hahafahana mamokatra maharitra, dia tsy maintsy misy ny lamin’asa sy ny fandrindrana atao. Isan’izany ny fanakatonana ny fotoam-panjonoana makamba, izay nanomboka tamin’ny fiandohan’ny volana desambra 2023. Nosokafana indray izany androany, ka tao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga I, Faritra Boeny, no notanterahina ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-panjonoana 2024, niarahana tamin’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, notronin’ireo olona manan-kaja isan-tsokajiny ao amin’ny Faritra Boeny. Araka ny tatitry ny ministera dia sambo 35 isa no niasa teto Madagasikata tamin’ny taona 2023 ary sambo malagasy avokoa ireo. Manodidina ny 3.500 taonina isan-taona no makamba jonoin’ireo sambo ireo. Ao ihany koa ireo « by catch » na trondro izay voajono miaraka aminy, izay manodidina ny 12.500 taonina isan-taona. Amidy any amin’ireo fivarotana trondro na « poissonnerie » rehetra eto Madagasikara ireto farany, indrindra any amin’ireo tanàn-dehibe.

Lire la suite

Articles Similaires