• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Anosy Tourisme
Image
Vaovao

Pic Saint Louis : Ho hajariana, hampiroborobo ny fizahantany any amin’ny Faritra Anôsy

01/03/2024 10:42 © Moov.Mg

Toerana iray mahavariana sy mendrika hotsidihna any amin’ny Faritra Anosy ny Pic Saint Louis. Hatomboka ato ho ato ny tetikasa fanajariana sy fanatsarana izany harem-bakoka mampalaza an’i Taolagnaro izany.

Tendro mahatazana an’i Taolagnaro

Miteronterona any amin’ny 529 m ny haavon’ny Pic Saint Louis, ka mahatazana tsara ny tanàna’i Taolagnaro manontolo izy. Eny an-tendrony eny dia mahita tsara ny tanànan’i Taolagnaro manontolo, ny helodranon' i Ranofotsy miaraka amin’ny moron-dranomasiny tsara tarehy, ny farihin’Amparihy sy Lagnorano, ny alan’i Mandena… Toerana isan’ny kanto indrindra ny « Pic Saint Louis » mba hianohana ny masoandro mody. Izany toerana fatratra amin'ny hatsarana izany no kasain’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina omena vahana ankehitriny. Natao sonia omaly, teny amin'ny Ivokolo Analakely, ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriamananoro Augustin sy ny Mpandrindra Nasionalin’ny tetikasa PIC (Pôles intégrés de Croissance), Rakotondrazaka Ladislas Adrien ary ny Goverinoran'ny Faritra Anôsy, Rakotovelomanantsoa Voahary. Tanjona ny hanajariana sy hanatsarana ity harembakom-pirenena ity mba ho fampiroboroboana ny fizahantany.

Harembakoka miteraka harena

Asa hatao ao anatin’izany tetikasa izany ny fametrahana fotodrafitrasa mba hanamorana ny fitsidihan'ny sokajin-taona rehetra azy, toy ny tohatra sy ireo lalam-pitsidihana (circuits) miisa 3 mitondra any an-tampon’ity tendrombohitra ity. Valo volana no faharetan'ny asa ary kendrena ho azo tsidihina mialoha ny faran'ny taona ity toerana ity. Hamafisina ihany koa ny fampahafantarana ny « Pic Saint Louis » maneran-tany sy ny fikojakojana ireo fotodrafitrasa efa misy. Hahazo tombony amin'ity tetikasa ity, noho izany ny fizahantany sy ireo mpisehatra rehetra amin’izany, ary hisy fiantraikany amin’ny toekarena ankapobeny any amin'ny Faritra Anôsy izany. « Loharanon-karena mivoy fampandrosoana ny kolontsaina, amin’ny maha-harembakoka azy, hoy ny minisitra Andriamananoro Augustin, ka miteraka harena ho an’izay mahay mitrandraka azy.

Lire la suite

Articles Similaires