• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ambassade Du Japon
Image
Vaovao

Ambassade de Japon : Miantso ny Fanjakana Malagasy hanohana an'Ambatovy

01/03/2024 06:11 © Moov

Omaly 29 febroary no nanamarihana ny fankalazana ny fetim-pirenena Japoney. Tamin'ny lahateny nataony no nangataka ny hanohanan'ny Fanjakana Malagasy an'Ambatovy ny Ambasadaoron'i Japana eto Madagasikara, Abe Koji.

Ny Sumitomo Corporation, an'ny Fanjakana Japoney, no mpampiasa vola be indrindra ao Ambatovy. Anisan'ny mpampidibola betsaka ao amin'ny kitapombolam-panjakana io orinasa io, sady manome asamarobe ho an'ireo mponina ao Moramanga sy Toamasina. Misy mihitsy aza ireo mpiasa avy amin'ny faritra maro eto Madagasikara.
Volana maromaro izay no misedra olana ara-bola ny orinasa Ambatovy, noho ny fidinan'ny vidin'ny Nickel eo amin'ny tsena iraisam-pirenena. Ny lalanan'ny tolotra sy ny tinady mantsy no mamaritra ny vidin'entana ka tena milatsaka tokoa izany noho ny fahamaroan'ny tolotra. Mbola tsy fantatra nefa ny fotoana mety hiakaran'ny vidin'entana indray. Etsy ankilany, mitohy hatrany ny fitrandrahana izay mitaky volabe tokoa. Tsy adino ny fiakaran'ny vidin'ireo akora fototra ilaina.
Mba hitohizan'ny fitrandrahana Nickel sy Cobalt eto Madagasikara, nivoaka tamin'ny fahanginany ny Ambasadaoron'i Japana eto Madagasikara, Abe Koji. Mangataka tolotanana sy fiarahamiasa misimisy kokoa amin'ny fanjakana ny tenany. Anisan'ny notononiny manokana ny famerenana ny TVA izay efa nalohan'Ambatovy.

Tsy misy fandroahana mpiasa

Diso ny tsaho nahely fa mandroaka mpiasa ny orinasa Ambatovy. Tsy misy ny "réduction de personnels" na eo aza ny fahasahiranana ara-bola. Misy kosa nefa ireo tetikasa tsy maintsy ahemotra ka ireo orinasa hafa izay miara-miasa (préstataires) no mety mampihena ny mpiasa ao aminy. Tsara ny manamarika fa tsy misy miova ny bokin'andraikitry ny orinasa. Laharam-pahamehana hatrany ny fitandrovana ny tontolo iainana sy ny fiarovana ny ain'ireo mpiasa rehetra.
Ambatovy moa dia anisan'ireo mpamokatra Nickel tsara kalitao indrindra manerantany. Amin'ity taona 2024 ity dia vinavinaina ho 30 000 taonina eo ho eo ny vokatra Nickel raha 40 000 taonina izany tamin'ny taona lasa.

Lire la suite

Articles Similaires