• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fahasalamana : Misy fikorontanan-tsaina mihetsika, manaraka ny vanim-potoana, hoy ny dokotera

29/02/2024 16:21 © Moov.Mg

Misy ifandraisany ny fahasalamana ara-tsaina sy ny vanim-potoana. Efa nahalala izany ny Ntaolo, izay nahatonga azy ireo nilaza fa be ny adala rehefa mitsiry ny ahitra. Nanamafy izany ny Pr Raharivelo Adeline, psikiatra ao amin’ny hôpitaly Befelatanana.

Fiovaovan’ny toetr’andro

Araka ny fanazavan’ny Pr Raharivelo Adeline dia misy karazana fikorontanan-tsaina miseho lany rehefa miala amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina mankany amin’ny andro mafana. Mety hitranga izany, na eo amin’ireo olona tsy manana aretin-tsaina manokana aza. Isan’izany, ohatra ny fahakizintinana. Rehefa miala amin’ny andro mafana mankany amin’ny andro mangatsiaka ihany koa, dia misy karazana olana ara-tsaina mahazo vahana kokoa, toy ny fahaketrahana (dépression), hoy ny hatrany ny fanazavana. Araka izany, misy akony amin’ny fahasalaman’ny saina ny fiovaovan’ny toetry ny andro, izay iainantsika ankehitriny. Mampiova ny fahatsapana ao anaty (humeur) izany, ka mahatonga ny olona ho mora sorena kokoa. Mety tsy ho tsapantsika loatra izany, hoy ity mpitsabo misahana ny saina ity, saingy zava-misy izany.

Vokatry ny fidorohana

Amin’ny ankapobeny dia mitombo isa ny olona tratran’ny olana ara-tsaina eto Madagasikara, raha ny tsikaritr’ireo mpisehatra amin’ny fahasalaman’ny saina, izay nitafa tamin’ny mpanao gazety androany, tao anatin’ilay hetsika « Le Rendez-Vous du REMAPSEN », nokarakarain’ny Tambajotran’ny Haino aman-Jery Afrikanina ho an’ny Fampiroboroboana ny Fahasalamana sy ny Tontolo Iainana (REMAPSEN Madagascar). Na izany aza, tsy misy ny antontan’isa ofisialy eo am-pelatanan’ireo mpisehatra, ary isan’ny fahabangana lehibe ny tsy fahampian’ny fanadihadiana momba izany fahasalaman’ny saina izany, hoy izy ireo. Hita kosa anefa, eny anivon’ny fiarahamonina eny, fa mihabetsaka ny olona tsy salama saina. Ny fidorohana no isan’ny antony. Ao Fianarantsoa, raha ny fijoroana vavolombelona nataon’ny Pr Raharivelo Adeline, izay efa niasa tany an-toerana, dia ny fisotroana toaka no antony. Any Antsiranana any indray, dia ny fihinanana katy. Ireo karazany hafa toy ny « cocaïne » sy « héroïne », efa tsy lazaina intsony.

Afaka miaina ara-dalàna

Na efa nisy aza ny fivoarana, dia mbola manahirana ny Malagasy maro ny manatona dokotera psikiatra, satria mbola heverina fa mahamenatra izany manana fikorontanan-tsaina izany. Na ny manana havana tsy salama saina ihany koa aza dia mbola mahamenatra, hany ka misy amin’izy ireny no afenina, nefa tokony ho afaka ny hiaina tahaka ny olona rehetra ihany, rehefa mahazo ny fitsaboana sahaza azy. Nitantara mihitsy ny Pr Raharivelo Adeline fa misy amin’ireo notsaboiny no lasa tompon’andraikitra ambony any amin’ny orinasa, misy no mahatozo fianarana hatramin’ny fahazoana ny diplaoma « doctorat »… Na izany aza, nanamarika ny mpitsabo fa tsy misy fahasitranana tanteraka akory, ho an’ny olona manana aretin-tsaina, fa ny fahamarinan-toeran’ny fahasalaman’ny saina no misy, rehefa araka tsara ny fitsaboana.

Lire la suite

Articles Similaires