• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Alamy
Image
Vaovao

Teraka ny 29 febroary : Mba hankalaza tsingerin-taona indray !

29/02/2024 06:10 © Moov.Mg

29 febroary ! Tsy daty manan-tantara manokana ny androany, nefa tsy afaka ny handalo fotsiny ihany koa. Isaky ny 4 taona ihany mantsy vao mifarana amin'ny datin'ny 29 ny volana febroary, ka miisa 366 ny andro ao anatin'ny taona iray. Io ilay antsoina hoe : taona "bissextile".

Daty miavaka

Raha ny mahazatradia 365 no isan'ny andro ao anatin'ny taona iray, izay andro ahavitan'ny tany mihodidina ny masoandro. Raha ny tena marina anefa, 365,25 andro no ihodidinan'ny tany ny masoandro. Tsy hita izay hanaovana ilay 0,25 andro amin'ny kalandrie gregorianina arahintsika, hany ka natambatra ho feno iray andro, isaky ny 4 taona, io ampahaefatr'andro io, dia nanome ilay andro iray fanampiny : ny 29 febroary. Ilaina ny mahalala izany, tsy ho an'ny fahalalana ankapobeny fotsiny, fa ho an'ny ray aman-dreny indrindra koa, izay manan-janaka teraka ny 29 febroary. Mety misy fiantraikany ara-tsaina amin'ny ankizy ny tsy fanana daty fankalazana ny tsingerin-taona nahaterahana raha tsy isaky ny efa-taona, hoy ny psikôlôgy. Noho izany, mila hazavaina aminy io fiavahan'ny daty nahaterahany io.

Fety be

Araka ny fanazavan'ny psikôlôgy dia tsy fety fotsiny ny fankalazana ny tsingerin-taona nahaterahana, fa fanamarihana dingam-piainana mihitsy, mba ho tena tsapan'ilay olona fa mihalehibe izy ary miroso hatrany ao anatin'ny fiainana. Tokony homarihina foana, noho izany ny tsingerin-taonan'ireo teraka 29 febroary, na tsy misy aza ilay daty. Mety foana izay hankalazana izany, na ny 28 febroary, na ny iray martsa, na izy roa, araka ny fanaon'ny olona sasany. Mety ho tsara kokoa anefa, araka ny hevitry ny psikôlôgy, raha ny 28 febroary no ankalazana ny tsingerin-taona, satria manan-danja ihany koa ny volana nahaterahana. Randrianarivo Yvon dia isan'ireo olona teraka ny 29 febroary. Ho azy, tsy misy ny fiavahany manokana amin'ny olon-kafa, afa-tsy ny hoe : tena fety be rehefa taona "bissextile". "Mitombo foana ny taona isan-taona, hoy izy, fa rehefa misy ny datin'ny 29 febroary dia tena miezaka ny manao fety araka izay azo atao, dia amin'ny 4 taona manaraka indray !"

Lire la suite

Articles Similaires