• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Nosy Boraha Jazz Festival : Hiainga eto Antananarivo ny hetsika, hihazo an’i Sainte Marie

28/02/2024 12:36 © Moov.Mg

Mpijery maherin’ny 10.000 isa no andrasana hanatrika ireo hetsika isan-karazany hotanterahina ao anatin’ilay « Nosy Boraha Jazz Festival » (NBJF), izay hotontosaina ny 28 hatramin’ny 31 martsa ho avy izao.

Fizahantany sy mozika

Mankalaza ny faha-5 taonany amin’ity taona 2024 ity ny NBJF. Ho fanamarihana izany dia manolotra hetsika « festival » mandritra ny 4 andro ny Nosy Jazz Festival Organisation Committee, mpikarakara. Fampisehoana 16 isa no ho hita mandritra izany, miampy fanentanana maro samy hafa any amin’ny Nosy Boraha, na Nosy Sainte Marie. Fa ny 25 martsa dia efa hanomboka sahady ny hetsika, miala eto Antananarivo. « Jazz Caravan » lehibe no hotanterahina, miainga eo Alarobia ary hihazo an’Andasibe. Hisy afondasy hotanterahina any an-toerana, miaraka amin’i Rajery eo amin’ny fanentanana. Miala ao Andasibe indray dia handeha lamasinina hihazo an’i Toamasina ny rehetra, ao anaty fanentanan’i Rajery sy Silo ary Young Square. Miala ao an-drenivohitra Betsimisaraka dia mihazo an’i Foulpointe ary any Mahambo no mandray ny sambo hiondranana mankany Sainte Marie. Olona miisa 120 no ho afaka hisitraka ity hetsika « caravane » ity. Mirary ny saram-pandraisana anjara amin’izany, satria noho ny fanohanan’ny ministeran’ny Fizahantany sy Asa Tanana dia 200.000 Ar monja ny vola aloa mandroso sy miverina, ary efa tafiditra ao ny fandraisana anjara amin’ny hetsika rehetra.

Hetsika maroloko

Mpilalao mozika am-polony maro avy any am-pitandranomasina sy avy eto an-toerana no hanafana ny NBJF amin’ity taona ity. Ankoatra ireo efa voatanisa fa hanentana mandritra ny « caravane », dia isan’ireo mpanakanto malagasy handray anjara amin’ny hetsika i Lalatiana, Monica Njava, Samy Andriamanoro et son « Quintette Swinguéo », Solorazaf et Friends sy ny maro hafa. Isan’ireo vahiny manokana nasaina kosa ny The Hands by Edmundo Carneiro avy any Brésil, T-Time & Pierre Baillot avy any Frantsa sy Small World Project avy any Québec. Maimaim-poana avokoa ireo hetsika rehetra hotanterahina, izay tsy hijanona amin’ny fampisehoana fotsiny, fa hisy ihany koa ny fitsangatsanganana arahina fanentanana ara-mozika, mba hampiroboroboana ny fizahantany. Tsy Mionona amin’ny mozika Jazz fotsiny ihany koa, fa misokatra amin’ny kolontsaina maroloko ny hetsika, toy ny « soul », « funk », « soul » sy ny mozika nentin-drazana.

Asa sosialy

Ankoatra ny lafiny ara-kolontsaina dia fotoana fanatanterahana asa sosialy ihany koa ny NBJF. Tamin’ny taon-dasa dia niompana tamin’ny fambolen-kazo, niarahana tamin’ireo mpianatry ny lisea tany an-toerana izany. Amin’ity indray mitoraka ity kosa, asaina ireo rehetra ho avy hanatrika ny hetsika mba samy hivatsy boky iray avy isan’olona. Hatolotra ny lisea any an-toerana izany, mba hanatevenana ny tranombokin’ny sekoly. Ankoatra izay dia hanokana tapak’andro iray ny mpikarakara, ny mpanakanto sy ny mpanotrona, mba handokoana efitranon-tsekoly. Fa isan’ny tena zava-dehibe ny fankafizana ny tontolo iainana, eny an-dalana mizotra mankany Sainte Marie, sy ny fitsidihana ireo toerana mendrika hozahana rehefa tonga any an-toerana. Eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Fizahantany sy ny asa tanana rahateo ny NBFJ, iarahana miasa amin’ny tetikasa PIC (Projet Pôle Intégré de Croissance) sy ny Ofisim-pirenena momba ny Fizahantany ary ny Ofisim-paritry ny Fizahantany any Sainte Marie.

Lire la suite

Articles Similaires