• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pixabay
Image
Vaovao

Andro eran-tany tsy hampiasana Facebook : Fitaovan-tserasera tena sarotra ialana

28/02/2024 06:06 © Moov.Mg

Andro eran-tany tsy hampiasana Facebook ny andro androany. Raha ny zava-misy anefa, ho an’ny ankamaroan’ny mpampiasa ity tambajotran-tserasera ity manerana izao tontolo izao, dia sarotra ihany izany tsy hikitika Facebook izany, ao anatin’ny iray andro maninjitra.

Nitombo isa ny mpampiasa

Mbola tsy mampiasa aterineto ny 80,3% amin’ny Malagasy, araka ny tatitra farany navoakan’ny Global Digital Reports. Miisa 6 310 000 ny mpampiasa izany tamin’ny fiandohan’ity taona 2024 ity. 3,80 tapitrisa kosa no isan’ny mpampiasa ireo karazana tambajotran-tserasera misy, izany hoe : ny 12,4%-n’ny mponina. Niampy 149.000 isa ny mpampiasa aterineto teto Madagasikara, teo anelanelan’ny volana janoary 2023 sy ny volana janoary 2024. Na izany aza, mbola misy 79,4% amin’ny Malagasy no tsy mampiasa aterineto amin’izao fotoana mampiroborobo ny teknôlôjoa maoderina izao, raha ity tatitra ity hatrany. Momba ny fampiasana tambajotra sosialy manokana, dia nitombo 850.000 isa izany teo anelanelan’ny volana janoary 2023 sy ny volana janoary 2024, araka ny fanadihadiana nataon’ny kabinetra mpanome torohevitra (Cabinet de Conseils) Kepios. Ny 45,3 %-n’ny mpampiasa tambajotra sosialy no vehivavy ary lehilahy ny 54,7%.

Sehatra ifaneraserana

Miisa 3 800 000 ireo mpampiasa ny Facebook eto amintsika, hoy ny fanadihadiana. Maro amin’izany ny olon-tsotra, izay mampiasa azy, araka ny namoronan’i Mark Zuckerberg azy tany am-piandohana, izany hoe : hifaneraserana amin’ny hafa sy hanarahana ny fiainany. Misy ihany koa ireo mampiasa azy ho fampahafantarana ny fikambanana, ny orinasa, ny tena manokana… Ho an’ny hafa indray sehatra fanehoan-kevitra sy fampitana hafatra ny Facebook. Ary misy moa no manao azy ho fitaovam-piasana sy fitadiavam-bola, toa ireo mpanao « vente en ligne », ireo « influenceurs », ireo orinasan-gazety sasany… Ho an’ireto farany aloha dia angamba mety ho sarotra ny tsy hampiasa ny Facebook ho an’ity andro androany ity, satria mety hiteraka fatiantoka mihitsy izany.

Tsara ny mahalala fa ny antony goavana indrindra namoronana ny andro natokana tsy hampiasana Facebook dia mba hiadiana amin’ny fiankinan-doha amin’ity tambajotra sosialy ity.

Lire la suite

Articles Similaires