• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Fitsarana
Image
Vaovao

« Fitsarana Valio ny Tarainako » : Rohim-pifandraisana azon’ny rehetra ametrahana fitarainana

27/02/2024 13:16 © Moov.Mg

Nanokatra ny tranonkala « Fitsarana Valio ny Tarainako » ny Ministeran’ny Fitsarana, mba ahafahan’ireo tomponandraikitra mifanerasera amin’ny olom-pirenena rehetra manana fitarainana ampitaina, mba hamantaran’izy ireo ny tsindry sy ny tsy rariny mety mitranga.

Hiadiana amin’ny tsy rariny

Tsy natao handraisana fitoriana akory ity rohim-pifandraisana napetraky ny Ministeran’ny fitsarana ity, fa natao kosa hitarainana, raha misy heverin’ireo manan-draharaha eny anivon’ny fitsarana fa nisy tsy nandeha araka ny tokony ho izy ny fizotran’ny raharahany. Olona mahafehy ny lalàna no mamaly ny fitarainana ao, ka sady hampianatra ny lalàna izany tranonkala « Fitsarana Valio ny tarainako » izany no hamaha olana, raha tena voaporofo fa niharan’ny tsy rariny tokoa ny olom-pirenena iray mitaraina. Efa manana departemanta misahana ny fandraisana fitarainana ny Ministeran’ny Fitsarana, fa ity rohim-pifandraisana ity kosa dia ahafahana mifandray malaky kokoa eo amin’ny tontolon’ny Fitsarana sy ireo manan-draharaha. Tsy andaniam-bola be ihany koa, satria 500 Ar monja no ampiasaina hidirana ao anatin’ny tranonkala dia efa mety ho voavaha ny olana, hoy ny minisitra Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana.

Fanatsarana ny asan’ny Fitsarana

Afaka mampiasa ny rohim-pifandraisana "Fitsarana Valio ny Tarainako" avokoa ny olona rehetra manana fitarainana mikasika ny raharaham-pitsarana sy ny zavamisy eny anivon'ny fonja. Voaaro tanteraka izy ity, ka ny mpitaraina sy ny teknisianina mandray ny fitarainana ihany no afaka mifampita vaovao, mikasika ny fitarainan'ny olona iray. Mandalo fanadihadiana ny fitarainana voaray ary mahazo valiny haingana araka izay tratra. Izany fanadihadiana izany no natao dia mba hialana amin’ireo mpananihany, na koa anavahana ny fitoriana sy ny fitarainana. Manome toky ny fitsarana, hoy ramatoa Minisitra, fa matoa napetraka ny rohim-pifandraisana dia vonona ny hamaly ny fitarainan’ny vahoaka malagasy. Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny tontolon’ny asam-panjakana izao dingana nataon’ny ministeran’ny Fitsarana izao, hiadiana amin’ny kolikoly sy hialana amin’ireo mpijirika ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires