• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Vaovao

Kabeson’ny Ampanjaka Toera : Hampodiana eto Madagasikara amin’ity taona ity

27/02/2024 11:53 © Moov.Mg

Manamafy ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny roa tonta, eo amin’ny lafiny ara-kolontsaina, i Madagasikara sy i Frantsa. Ny famerenana ny Kabeson’ny Ampanjaka Toera no isan’ny dingana lehibe indrindra voakasik’izany.

Fihaonana tamin’ny minisitra

Araka ny fantatra dia miranty ao amin’ny « Musée de l’Homme » ao Parisy ny Karandohan’ny Malagasy miisa telo. Ny iray amin’ireo dia ny Kabeson’ny Ampanjaka Toera ary ireo roa hafa kosa dia heverina fa an’ny mpitari-tafiny anankiroa. Samy angatahan’ny Fitondram-panjakana malagasy hampodiana avokoa ireo karandoha telo ireo. Na¬nom¬boka ny taona 2020 ny dingana fampodiana ireto « vakoka » ireto, ka ny minisiteran’ny Se¬rasera sy ny kolontsaina no miandraikitra ny fampodiana azy aty Madagasikara mba hanatanterahana ny fombafomba fanao amin’ny Ampanjaka lasan-ko razana sy hametrahana azy amin’ny toerana tokony hisy azy. Omaly ary dia nihaona tamin’ny masoivoho frantsay miasa sy monina eto Madagasikara, Arnaud Guillois, ny minisitra Andriamananoro Augustin, nandinika ny momba izay fampodiana ny Kabeson’ny Ampanjaka Toera izay.

Fiaraha-miasa ara-kolontsaina

Taorian’ny dinika dia tapaka fa hotanterahina ny volana martsa izao ny fivoriana voalohany iarahan’ny teknisiana sy manam-pahaizana malagasy, amin’ireo teknisiana sy manam-pahaizana frantsay, handaminana izany fampodiana izany eto amintsika, amin’ity taona ity. Azo irosoana rahateo izany, taorian’ny nandanian’i Frantsa ny lalàna vaovao mamaritra ny rafitra ankapobeny manamora ny famerenena ireo taolambalo samihafa, amin’ireo firenena izay nanao fangatahana izany, tamin’ny 18 desambra 2023. Ankoatra izay dia niresaka momba ny fanatanterahana ny fiaraha-miasa ara-kolontsaina (projet d’accord bilatéral sur la culture) eo amin’i Madagasikara sy Frantsa, izay tsy maintsy hovitaina ao anatin’ny fotoana fohy ihany koa, ny roa tonta. Hiseho amin’ny endrika maro ny fanohanan’i Frantsa an’i Madagasikara, eo amin’izay sehatry ny kolontsaina izay. Isan’izany ny fandefasana manam-pahaizana momba ny fitantanana arsiva sy mozea mba hizara traikefa, ny fanatsarana ireo toerana manan-tantara ary ny fikarakarana hetsika manome lanja ireo artista Malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires