• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Metfp
Image
Vaovao

Faritra Atsinanana : Misitraka fiofanana arak'asa ireo vehivavy marefo sy mamelon-tena irery

27/02/2024 08:00 © Moov

Miisa 140 ireo vehivavy marefo sy mamelon-tena irery no ampiofanin'ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak'asa ao Toamasina.

Omena vahana manokana ny vehivavy sahirana ao Toamasina, faritra Atsinanana. Natomboka omaly alatsinainy 26 febroary 2024 ny fanofanana faobe amin’ny fanjairana (coupe et couture). Maharitra 10 andro moa ny fiofanana, ka adiny telo isan'andro izany. Aorian'ny fianarana dia “kit de démarrage”, toy ny fitaovana fanjairana, ireo vehivavy mpiofana ireo.

Nambaran’ny Minisitry ny Fampianarana tekinika sy ny Fanofanana arak’asa, Lalatiana Rakotondrazafy, fa ireo vehivavy nofanina, manana ny fanamarinana fahavitam-piofanana, no hanjaitra ireo aron’akanjo miisa 3 tapitrisa ho an'ny mpianatra, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.

Na eo aza izany, afaka miasa tena ireo vehivavy ireo, hamatsiana ny tsena anatiny. Azo lazaina fa mbola maro mantsy ny manjifa ireo "confection" vita malagasy noho izy ireny mora vidy. Tsy vitsy ihany koa ireo olon-tsotra na orinasa mitady mpanjaitra rehefa misy lanonana goavana na hetsika isan-karazany.


Copyright Image : © METFP

Lire la suite

Articles Similaires