• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Mponina
Image
Vaovao

Miralenta : Mbola latsa-danja ny vehivavy malagasy ara-panabeazana, ara-pahasalamana…

26/02/2024 15:51 © Moov.Mg

Mila famporisihana bebe kokoa ny fampandraisan’anjara ny vehivavy amin’ny sehatra maro samy hafa eto amin’ny firenena. Fanoitra iray hialana amin’ny fahantrana izany, araka ny tatitra tombana momba ny miralenta natao androany tao amin’ny biraon'ny Banky Iraisam-pirenena Anosy.

Fanabeazana sy fahasalamana

Notontosaina tao amin’ny biraon'ny Banky iraisam-pirenena Anosy ny fanaovana tatitra ny tombana izay nataoa mahakasika ny miralenta, androany 16 febroary.
Latsa-danja ny vehivavy sy ny ankizivavy eto Madagasikara eo amin’ny lafiny ara-panabeazana sy ara-pahasalamana, araka ny tatitra tombana momba ny miralenta nataon’ny Banky Iraisam-pirenena androany, izay natrehan’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny anjara, toy ny ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ny Minisitry ny Mponina ary ireo avy amin'ny sehatra tsy miankina sy ny firaisamonim-pirenena. Raha ny tany amin’ny Faritra Menabe, ohatra, dia tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny 55,8%n’ny vehivavy eo anelanelan’ny 15 hatramin’ny 49 taona. 26,9% anefa izany taha izany, ho an’ny lehilahy. Eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana indray dia mbola ambany ny tahan’ny fampiasana fomba fandrindram-piterahana eto amintsika, indrindra eo amin’ny tanora, nefa ny 31%n’ny ankizivavy eo anelanelan’ny 13 hatramin’ny 19 tana dia efa niroso tamin’ny fanambadiana avokoa.

Tsy fitovian-jo

Nisongadina tao anatin’izany ihany koa fa ny tsy fitovian-jon’ny lahy sy ny vavy dia mahatonga ny vehivavy tsy hanana anjara toerana amin’ireo fanararaotra ara-toekarena sy tsy hahazo vahana eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Raha zohina amin’ireo valim-panadihadiana ireo dia hita fa misy fifandraisany tsy takona afenina ny fahantrana sy ny tsy fahatomombanan’ny fanabeazana, ny tsy fisitrahan’ny vehivavy ireo fanararaotra ara-toekarena, ny tsy fananan’ny vehivavy fahaleovantena sy fahafahana maneho hevitra ary ny firosoana aloha loatra amin’ny fanambadiana, hoy i Miriam Muller, manam-pahaizana momba ireo lohahevitra ara-tsosialy ary iray amin’ireo nanoratra ity tatitra ity. Hahafahana mijery ny fanalalahana ny fahaiza-manaon'ny vehivavy sy ny tovovavy malagasy kosa ity tatitra tombana ity, hoy ny Ministeran’ny Mponina, mba ho fampihenana ny fahantrana eto Madagasikara.
Araka ny nambaran'ny Banky iraisam-pirenena, ilaina tokoa ny mijery ny fanalalahana ny fahaiza-manaon'ny vehivavy sy ny tovovavy malagasy. Maro mantsy ireo vehivavy sy tovovavy no toa tsy avela miasa na nahita fianarana aza, noho ny kolontsaina sy ny rotorotom-piainana. Heverina araka izany fa hitondra soa ho an'ny fiarahamonina sy ny firenena manontolo ny fanomezana toerana ireo vehivavy.

Lire la suite

Articles Similaires