• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Groupement Gendarmerie Vakinankaratra
Image
Vaovao

Ankazomiriotra : Namitra-pihavanana ny vahoaka sy ny Zandary

26/02/2024 14:42 © Moov.Mg

Ny sabotsy lasa teo no niakatra fampanoavana ireo olona voarohirohy tamin’ilay raharaha fandoroana ny borigadin’ny Zandarimaria Ankazomiriotra Kaompania Mandoto.

48 nahiditra am-ponja

Olona miisa 56 no voasambotra tamin’ity raharaha ity ka vehivavy ny 9 tamin’ireo ary tsy ampy taona ny 3. Tsy afaka niakatra fampanoavana kosa ny iray hafa, noho ny tsy fahasalamana. Taorian’ny fihainoana azy ireo, izay naharitra hatramin’ny 2 ora maraina, dia 48 no nahiditra am-ponja vonjimaika ao Antsirabe, ka ny 6 amin’ireo no vehivavy. Niisa 7 kosa ireo nahazo fahafahana vonjimaika ary nahiditra ao amin’ny toby fanarenana Akany Fanantenana ao Antsirabe ny iray amin’ireo tsy ampy taona. Raha tsiahivina dia nisy lehilahy iray namoahan’ny Fitsaràna didy fampisamborana tao Ivory, kaominina Vinany distrikan’i Mandoto. Nanohitra ny zandary nampihatra izany didy izany izy io, ka nikasa ny handroba ny basy teny an-tanan’ny mpitandro ny filaminana. Maty voatifitra tao anatin’ny fifanjevoana izy. Tezitra ny fianakavian’ity lehilahy ity sy ireo andian’olona hafa niaraka tamin’izy ireo, ka nahatonga ny fanafihana ny biraon’ny zandary tao Ankazimiriotra. May nandritra izany ny fiara iray sy ny fitaovam-piadiana sasany, niampy moto fito, ankoatra ny basy roa izay mbola tsy hita.

Nanao fialan-tsiny

Efa miverina amin’ny laoniny ny filaminana any Ankazomiriotra ankehitriny, raha ny fampitam-baovaon’ny fibaikoana ny Zandarimaria any an-toerana, taorian’ny fidinana nataon’ny solontenam-panjakana tany an-toerana. Araka ny fampitam-baovao ihany koa dia nifampiresaka tamin’ny Zandary ny solontenan’ny vahoaka, ny Raiamandreny sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny any an-toerana, mba ho famitranam-pihavanana. Niala tsiny noho ilay zava-nitranga nitarika savorovoro izy ireo, ka namono omby iray ho mariky ny fifonana sy hamerenana indray ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny Mpitandro ny filaminana.

Lire la suite

Articles Similaires