• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sénat De Madagascar
Image
Vaovao

Distrikan'i Soavinandriana : Misokatra ny taom-pambolena kafe

26/02/2024 14:14 © Moov

Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny sabotsy faha 24 febroary ny taom-pambolena kafe 2024, tao amin'ny Kaominina ambanivohitra Ambohidanerana.

Anisan'ny mpamokatra kafe matanjaka eto Madagasikara ny faritra Soavinandriana Itasy. Ao ireo mpamokatra mamatsy ny tsena anatiny, ary misy ihany koa ireo manondrana kafe any ivelany. Azo lazaina fa efa tsara ny vokatra, na ny kalitao na ny habetsany, saingy misy hatrany ny fanatsarana mba hahafapo ireo mpamboly sy mpanjifa.

Lanonana ofisialy

Amin'izao taom-pambolena kafe vaovao izao dia misy tanjona manokana. Tsy inona izany fa ny fambolena zanaka kafe 450.000 isa amin'ity taona 2024 ity. Hitombo araka izany ny mponina izay hisehatra amin'ny fambolena kafe, mba hisy fampidiram-bola ireo sahirana. Nisy araka izany ny fizarana zanaka kafe maimaim-poana ho azy ireo izay efa nialohavana fampiofanana mahakasika ny fambolena sy fijojakojana izany. Vinavinaina ho afaka hamboly zanaka kafe miisa 200 fototra ny tokantrano sahirana tsirairay avy.

Maro ireo tompon'andraikitra ambony no nanatrika ny lanonam-panokafana ofisialy ny taom-pambolena kafe. Anisan'ny tonga tany Ambohidanerana ny Filohan'ny Antenimierandoholona. Nanainga ny tsirairay ny tenany mba samy hanara-maso sy hikolokolo ny voly mba hisy vokany ny ezaka natao. Anisan'ny namporisihana ihany koa ny fandalàna ny fihavanana mba hanafainganana ny fampandrosoana haingana an'i Madagasikara. Ilaina tokoa mantsy ny miara-mitsinjo ny soa iombonana mba hahatratrarana tanjona lehibe hampandrosoana ny faritra misy ny tena sy ny firenena manontolo.

Lire la suite

Articles Similaires