• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Vakiteny : Andraikitry ny rehetra ny mampitia boky ny ankizy

25/02/2024 09:06 © Moov.Mg

Fototra goavan’ny fampianarana, sady antoka hahaizan’ny mpianatra ny taranja hafa, ny fahafehezana ny vaky teny. Araka ny fanadihadiana anefa dia sahirana amin’izy io ny ankamaroan’ny mpianatra. Ezaka tokony iarahan’ny rehetra mientana, noho izany, ny fampitiavana vaky boky ny ankizy, dieny mbola kely.

Tsy liana amin’ny boky

Araka ny fanadihadana nataon’ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra miisa 800, teo anelanelan’ny taona 2016 hatramin’ny 2021, momba ny fari-pahaizan’ny mpianatra sy ny mpanabe, dia mpianatra 9 amin’ny 10 no tsy mahay mamaky sy tsy mahazo lahatsoratra fohy amin’ny teny frantsay natao ho an’ny ankizy 10 taona. Fa na ny vakiteny amin’ny teny malagasy aza dia manahirana ny ankizy betsaka. Raha mitaha amin’ny tamin’ny andro fahiny rahateo dia tsy liana firy amin’ny boky intsony ny ankizy ankehitriny. Ny ray aman-dreny ihany koa, noho ny fahasahiranana amin’ny fitadiavana, dia tsy manam-potoana hamakiana boky ho an’ny ankizy. Etsy an-daniny, lafo ny vidin’ny boky eto amintsika, ka lasa sakana ho an’ny fifankahazaran’ny ankizy amin’ny boky izany.

Mamaky teny isan’andro

Ny any an-tsekoly sisa no sehatra hahafahan’ny ankizy mamaky teny. Ho an’ny sekoly ambaratonga fototra iray notsidihinay, dia manokana 30 mn isan’andro ny mpampianatra, ao amin’ny kilasy T3, mampamaky teny ny mpianany, na amin’ny teny malagasy io, na amin’ny teny frantsay. Mifandimby ireo mpianatra 70 isa isan’andro, ka tsy maintsy mandray anjara amin’izay vaky teny izay avokoa. « Miezaka mihitsy aho manokana fotoana hampamakiana teny azy ireo, na dia tsy tafiditra ao anatin’ny taranja tokony atao ao anatin’ny andro iray aza izany, hoy ramatoa mpampianatra. Tsy ho afaka ny hahazo ny lesona mihitsy ny ankizy, raha tsy azony izay zavatra vakiany, hoy hatrany izy. »

Mampiala voly

Isan’ny manampy ny ankizy hahafehy ny vaky teny ny fandehanana amin’ireny tranom-boky ireny. Tsy ny sekoly rehetra anefa no manana izany. Misy ihany koa ireo fikambanana sy vondrona izay miezaka manentana ny mpianatra hazoto hamaky sy ho tia boky. Isan’izany ireo mpiasan’ny Vondrona Axian, izay mamangy sekoly ary miara-mamaky teny amin’ireo mpianatra, ao anatin’ny hafaliana sy ny lalao, amin’ny alalan’ilay tetikasa Sekoly Telma. Isan’ireo boky iaraha-mamaky amin’izany ny boky Diary Nofy, izay notohanan’ny Telma ny famokarana azy. « Manampy ny ankizy ho tia boky ny hetsika tahaka izao, hoy ramatoa mpampianatra, sady mampiala voly azy ireo ihany koa. Mba miala amin’ny mahazatra izy ireo ary misokatra amin’ny zavatra hafa ny sainy, indrindra ireo ankizy sahirana, izay tsy manana fahafahana hividy boky sy hiala amin’ny rotorotom-piainany andavanandro ».

Lire la suite

Articles Similaires