• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 19 hatramin'ny 25 febroary 2024

26/02/2024 05:35 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nalaza tamin'iny herinandro lasa teo iny, ny 19 hatramin'ny 25 febroary 2024

Mercy Ships # Azo antoka ny sakafo rehetra tehirizina ao anaty Sambo

2 taona be izao no miantsona ao amin'ny seranantsambon'i Toamasina ny Sambo hôpitaly Mercy Ships. Ny 22 febroary lasa teo no nanaovan'ny Ministeran'ny Varotra fidinana ifotony ny sambo. Izany moa dia noho ny fanaraha-maso ny fitehirizana sy fikarakarana sakafo ho an’ireo mpiasa sy ny marary. Hita tamin’izany fa manaraka ny fenitra rehetra takiana ny fitehirizana ny sakafo ary tsy misy ahiahy ny momba izany. Tsy ho ela moa dia hanomboka ny fisoratana anarana ho amin’ireo izay maniry hisitraka ny fitsaboana maimpaimpoana, izany hoe fandidiana, atolotry ny ekipan'ny Mercy Ships.

Fahasalamana # Fitsaboana sy fanafody maimaimpoana

Notanterahina ny 22 hatramin'ny 24 febroary lasa teo ny varavarana misokatra entina mitsabo sy manome fanafody maimaimpoana teny amin'ireo hopitalim-panjakana manerana ny Nosy. Maro ara-pahasalamana maro no nositrahina tamin'izany, toy ny fizaham-pahasalamana ankapobeny, ny fandindiana Hernie sy sima lanilany, ny fitiliana ireo aretina samihafa, ny tolotra Fandrindrana fiainampianakaviana. Nisy ihany koa ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman'ny ati-vava sy nify. Nisy ny fanentanana mikasika ny ady amin'ny Pesta, ny kolera ary ny fanajana ny fahadiovana.

Famatsiana ny tsena # Ampy hiatrehana ny maitso ahitra ny tahirim-bary

Maherin'ny 30 000 taonina ny vary nafarana avy any ivelany ao Toamasina amin’izao fotoana izao. Miara-miasa amin’ny mpanafatra entana ny Minisitera amin’ny famatsiana ny mponina. Marihana moa fa tsy azo ialàna ny fanafarana vary satria tsy mbola ampy ny vokatra eto an-toerana. Mety hahitana fiakarany nefa ny vidim-bary nafarana satria manaraka ny fiakarana eo anivon'ny sehatra iraisam-pirenena izany. Raha 342 dolara ny iray taonina tamin'ny fiandohan'ny taona 2023 dia efa tafakatra 570 dolara izany amin'izao volana Febroary 2024 izao. Misy ihany koa ny vary gasy 54 taonina amidy amin'ny vidiny 950 Ar/kapoaka eny amin'ny mpaninjara rehetra manerana ny Nosy, nanomboka ny faran'ny herinandro teo.

Speed Recruting # Fanamorana ny fahitana asa

Tsy mijanona amin'ny fampiofanana arak'asa ihany ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika. Ny 23 febroary lasa teo dia nisy ny fanaovana ny “entretien d’embauche” (speed recruiting) nandraisana hiasa ireo tanora nandray anjara tamin’ny fiofana andiany voalohany mahakasika ny aterineto (Métiers du web). Orinasa miisa fito misehatra amin’ny tontolon’ny aterineto, mpiara-miombon’antoka amin’ny Minisitera, no nandray ireo tanora miisa 200 nahazo fiofanana. Nisy araka izany ireo hiatrika ny dingana manaraka amin'ny fandraisana azy hiasa.

Taona koltoraly 2024 # Nosantarina tamin'ny fampirantiana sary hosodoko

Ny 22 febroary lasa teo no nanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny "Taona koltoraly 2024" eo anivon'ny eo anivon’ny Office National des Arts et de la Culture (OFNAC). Mpanao hosodoko miisa 17 no mampiranty ny sanganasany manodidina ny 48 mandritra ity hetsika ity. Nomarihan'ny Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina, Augustin Andriamananoro, fa tsy mitsaha-mitombo ny tanora ankehitriny mirona amin'ny sehatry ny fanaovana sary hosodoko sy ireo zavakanto hafa ao anatin'ny "arts plastiques" ary mila fanohanana hatrany izy ireo mba hivelarany bebe kokoa eto antoerana sy amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Qualification Afrobasket 2025 # Niady mafy ny Ankoay

Mampitaintaina tokoa ny lalao "Basket" izay atrehan'ny Ankoay. Omaly alahady 25 febroary dia nibata fandresena ny ekipa Malagasy nanoloana an'i Centrafrique. 76-69 no isa nisarahana tamin'izany.Tany amin'ny fizaram-potoana faha-4 moa no tena nitondra fandresena. Ny sabotsy lasa teo, tamin'ny lalao voalohany, izay niondrehan'i Madagasikara nanoloana an'i Egypta, dia efa saika very fanantenana ireo mpitia baolina kitra. Misy fanantenana araka izany ny hahatafidiran'i Madagasikara ho anisan'ireo ekipa hiatrika ny Afrobasket 2025.

21 febroary # Andro iraisampirenena ho an'ny tenin-dreny

Nankalazaina ny 21 febroary lasa teo ny "Andro iraisampirenena ho an'ny tenin-dreny", tamin'ny lohahevitra hoe "Tenin-dreny : teny mampandroso". Nakotroka ny fankalazana ofisialy ity fotoana iray manan-danja ity izay notanterahina teto amin’ny Efitrano DOX Anosy. Nisy ny atrikasa natokana ho an’ny mpanoratra, mpikabary sy mpikirakira teny malagasy amina sehatra maro, hanampiana azy ireo hahafehy ny feni-panoratana ny teny, ary ny kilalaon-tsaina nentina nanentanana ny ankizy sy tanora hitia sy hirehareha amin’ny fahaizana ny teny Malagasy.

Ady amin'ny lefakozatra # Manohana an'i Madagasikara ny UNICEF

Nanamafy ny fahavononany hanohana an'i Madagasikara i Etazonia, amin'ny alalan'ny UNICEF, amin'ny sehatry ny fahasalamana. Noraisin’ny ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian, androany maraina, ny delegasiona avy amin’ny UNICEF sy ny OMS, notarihin’Andriamatoa Steven LAUWERIER, Talen’ny famongorana ny aretina Lefakozatra eo anivon’ny UNICEF avy any New York. Nifantohan’ny dinika ny ady amin’ny lefakozatra eto Madagasikara amin’ny alalan’ny vaksiny. Hitohy araka izany ny fanaovam-baksiny izay hotanterahina amin’ny volana may sy jona ho avy izao. Tanjona ny hanatrarana farafahakeliny 95% ny zaza Malagasy.

UNFPA # Fampiofanana ny vehivavy sy ny ankizivavy

Manohy ny fanohanana ny Ministeran'ny Fampianarana sy ny Fampiofanana arak'asa ny UNFPA amin'ny fampiofanana ny vehivavy sy ny ankizivavy. Ny alarobia 21 Febroary 2024 dia nandray ny solotena maharitry ny Fonds des Nations unies pour la population (UNFPA), miasa sy monina eto Madagasikara, Ramatoa Josiane Yaguibou, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny Fiofanana arak'asa, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY. Efa misy ny program-piofanana faobe (formation de masse), ho an'ny vehivavy marefo (femmes vulnérables) izay hatomboka afaka andro vitsy.

Sosialy # Fanohanan'ny Banky iraisam-pirenena

Nihaona tamin'ny Minisitry ny mponina, Haingo Nambinina, ny Solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena miasa sy monina eto Madagasikara, Atou Seck. Nisongadina nandritra ny dinika ny paikady hanatsarana ny fanatanterahana ireo tetikasa sy fandaharanasa mahakasika ny fiahiana ara-tsosialy mba hipaka eny ifotony ka ahitana vokatra azo tsapain-tanana eo amin’ny fiharian'ireo tokantrano tena marefo. Nodinihina ihany koa ny fanombohana ny tantsoroka enti-manohana ireo tokantrano tena misedra ny vesatry ny fidangan'ny vidim-piainana. Tanjona moa ny famoahana amin'ny faharefona ara-pivelomana ireo tokantrano mpisitraka ny tetikasa.

Marovoay # Fampiofanana fiompiana trondro

Mitohy hatrany ny fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro tanterahin'ny Ministeran'ny Jono. Ny 22 febroary lasa teo, olona miisa 43 no nahazo fampiofanana maimaimpoana tao amin'ny Kaominin'Ankazomborona , Distrikan'i Marovoay. Nandritra ny fiofananana dia maro sahady ireo tonga niofana no resy lahatra fa asa afaka atao sy azo ivelomana tsara tokoa ny asa fiompiana trondro. Nofaranana tamin'ny fitsidihana ny Fefy mitsingevan'ny CDA moa ity fiofanana teto Amboromalandy ity.

Namibie # Nindaosin'ny fahafatesana ny Filoha Dr Hage Geingob

Nodimandry ny 4 febroary lasa teo ny Filoham-pirenena Namibiana, Hage Geingob. Nanatrika ny fotoam-pandevenana omaly ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta, Ntsay Christian, misolo tena ny Filohan'ny Repoblika Malagasy Andry Rajoelina. Nisy ny fotoam-pivavahana hanomezam-boninahitra farany ny Filoham-pirenena Namibiana tao amin'ny Heroes’Acre, Windhoek. Tao amin'io toerana io ihany no nisy fasana voatokana ho azy.

Toamasina # Fahatratrarana Cocaïne 64,32 kg

Cocaïne milanja 64,32 kg no tra-tehaky ny Polisy ny alatsinainy 19 febroary 2024 tao amin'ny toeram-pametrahana entan'ny orinasa lehibe iray tao Toamasina. Nisy ny fisavana natao tamin'ny "entrepôt" iray tao Androranga ny 19 febroary lasa teo ka tamin'izany no nahatratrarana vovon-javatra miloko fotsy notsinjaraina anaty harona plastika miisa 57. Rehefa natao ny "test" dia fantatra fa cocaïne avokoa ireo akora ireo. Nosamborina avy hatrany ireo telo lahy tompon'ilay toerana fitehirizan'entana ary nentina nihazo an'Antananarivo.

Lire la suite

Articles Similaires