• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marianne
Image
Vaovao

Fanabeazana ara-pananahana feno : Manao adisisika mba hampiharana ny lalàna ny firaisamonim-pirenena

22/02/2024 16:15 © Moov.Mg

Nanatanteraka atrikasa momba ny fanabeazana ara-pananahana feno ireo firaisamonim-pirenena misehatra amin’izany sy ireo parlemantera, omaly, teny Antanimena. Nifototra tamin’ny fampiharana ny Lalàna 2017-043 mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindram-piterahana ny fihaonana.

Voarara any an-tsekoly

Isan’ny ifotoran’ny Fanjakana malagasy amin’izao 100 andro voalohan’ny fotoam-piasan’ny filoham-pirenena izao ny fampisitrahana fandrindram-piterahana ny olona, indrindra ny vehivavy. Etsy an-danin’izay anefa, nisy ny naoty navoakan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ny faramparan’ny taon-dasa, mahakasika ny tsy tokony hanaovana fanabeazana ara-pananahana eny anivon’ny toeram-pianarana, indrindra ny hiresahana ny momba ny fandrindram-piterahana maoderina. Tokony hifototra amin’ny famporisihana ny ankizy sy ny tanora hifady ny firaisana ara-nofo ny fanabeazana eny anivon’ny sekoly, hoy ilay filazana. Voakasik’izany avokoa, manomboka any amin’ny ambaratonga fototra ka hatrany amin’ny kilasy famaranana. Io naoty io indrindra no isan’ny antony nanatanterahana ity « Atrikasa fikaonan-doha marolafy momba ny fanabeazana ara-pananahana feno » notanterahina omaly ity.

Tsy mahay miaro tena

Raha tsiahivina dia manana ny lalàna 2017-043 mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana sy fandrindram-piterahana ary ny fidiovana sy fahadiovana mandritra ny fahatongavan'ny fotoana eo amin'ny vehivavy, isika eto Madagasikara. Efa nisy ny didy fampiharana azy io, noho izany dia izy io no lalàna velona eto amintsika. Voalaza ao fa “Ny isam-batan’olona dia manan-jo hahalala sy hahazo fampianarana eo amin’ny lafiny fahasalamana ara-pananahana.” Toa mifanohitra amin’izany lalàna izany anefa ny zava-misy. Maro ny zatovo efa miroso amin’ny firaisana ara-nofo, nefa tsy mahay miaro tena akory, hoy i Eugène Andriamasy, tomponandraikitry ny adisisika eo anivon’ny Marie Stopes Madagascar no sady mpikambana ao anatin’ny Coalition SDSR, izay miady sisika ny amin’ny tokony hampisitrahana fanabeazana ara-pananahana feno ny tanora, no sady miady ny amin’ny hisitrahan’ny olona rehetra fomba fandrindram-piterahana maoderina ihany koa.

Mampihena ny taham-pahafatesana

Amin’izao anefa, noho io naoty io, dia tsy afaka manao fanentanana any an-tsekoly intsony ny firaisamonim-pirenena, hoy hatrany i Eugène Andriamasy. Nanao adisisika tamin’ireo depiote, araka izany izy ireo, mba handresen’ireto farany lahatra ny eo anivon’ny Governemanta, araka ny lalàna velona. Mitombo be ny mponina amin’izao fotoana izao ary mety ho sakana ho an’ny fampandrosoana izany, hoy ny dokotera Rajaobelina Lova Herizo, Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny distrikan’i Moramanga, filohan’ny kômisiôna momba ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny Antenimierampirenena, no sady filohan’ny Tambajotra Parlemantera ho an’ny Rariny ara-Pananahana (RPJR). Nambarany fa misy ny lalàna ary ilaina ny fandanjalanja ny fiterahana, mba hihena ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza eo am-piterahana. Tsy natao fahatany rahateo izany lalàna izany, hoy ny firaisamonim-pirenena, fa nisy fikaonan-doha natao tamin’ny taona 2016, vao nivoaka izany.

Lire la suite

Articles Similaires