• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fanilon'I Madagasikara
Image
Vaovao

Andron’ny fifampahatsiarovana : Mirehareha amin’ny fanabeazana azony ireo skoto

22/02/2024 14:52 © Moov.Mg

Nisy maro no gaga androany rehefa nivoaka ny trano : fa maninona no feno skoto manao fanamiana androany manerana ny tanàna ? Fomba entin’ny skoto manamarika ny andron’ny 22 febroary anefa izany, isan-taona.

Namolavola olona maro

Antsoina ho andron’ny fifampahatsiarovana, na koa andron’ny Mpanorina, ny 22 febroary, ho an’ny skoto maneran-tany. Ny fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Robert Stephenson Smyth Baden-Powel, izay manamboninahitra miaramila no sady mpanorina ny fikambanana skotisma, no marihina isaky ny mitsingerina ity daty ity. Nanjary fotoana iarahan’ny skoto mahatsiaro ny maha-skoto azy ity fotoana ity, antony anaovan’ireo Antilin’i Madagasikara, Fanilon’i Madagasikara, Kiadin’i Madagasikara, Tily eto Madagasikara sy Mpanazava eto Madagasikara fanamiana, na mpiasa izy, na mpianatra. Na ireo efa tsy mpikatroka intsony aza, dia maro no namerina nampiseho ny sariny fahiny manao fanamiana, ao anaty tambajotran-tserasera. Maro ihany koa ireo nijoro vavolombelona ny amin’ny fandalovany tao anatin’ny skotisma. Fehezan-teny tokana no saika niraisan’ny rehetra : « Ny fanabeazana skoto no nahatoy izao ahy ! »

Fanabeazana anaty lalao

Fanabeazana feno ny skotisma, satria samy voavolavola ao anatiny avokoa na ny fanahy, na ny saina, na ny vatana. Mijoro eny anivon’ny fiangonana izy ireny, amin’ny ankapobeny ; mampianatra ny ankizy sy ny tanora hahay manavia manavanana sy ho tia karokaroka ; mandrisika azy ireo hahay hiaina amin’ny zava-misy ihany koa. Amin’ny alalan’ny lalao no isan’ny hampitana ny fanabeazana, ka mahaliana sy mora raisina. Miaina ao anaty lalàna sy fitsipika ihany koa ny skoto, mba hianarany ny fifehezan-tena, ny fanajana ny hafa sy ny tontolo manodidina. Ny fanompoana an’Andriamanitra, ny tanindrazana ary ny namana no azo amintinana ny fototra ijoroany. Araka izany, manatanteraka asa soa, asa izay mipaka mivantana amin’ny fiarahamonina sy amin’ny firenena ny skoto. Ho an’ny androany izao dia fanomezan-dra maimaim-poana no notanterahina, teny amin’ny ANS Ampefiloha, izay nandraisan’ny skoto rehetra tsy an-kanavaka anjara. Nisy ihany koa ny fanangonana akanjo sy lamba mbola tsara, hozaraina amin’ireo olona sahirana.

Raha tsiahivina dia nanomboka tamin’ny taona 1926 no nanamarihana ny andron’ny fifampahatsiarovana.

Lire la suite

Articles Similaires