• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Metfp
Image
Vaovao

Fampiofanana arak’asa : Olona 1.000.000 isa no hisitraka izany ao anatin’ny 12 volana

22/02/2024 13:47 © Moov.Mg

Ny fampiofanana faobe, mba hanamorana ny fampananan’asa ny malagasy, no asa goavana iandraiketan’ny ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak'asa. Tanjona ny hiantohana ny fahafahan’ny olona rehetra tsy an-kanavaka mahazo fiofanana mifanojo amin’ny filàn’ny sehatry ny asa, mba hampihenana haingana ny tahan’ny tsy fananana asa.

Fampiofanana faobe

Olona 250.000 isa no kendren’ny ministeran’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana Arak'asa hahazo fiofanana, ao anatin’ny 100 andro, na mivantana na amin’ny alalan’ny aterineto. 1.000.000 isa kosa no tanjona, ao anatin’ny 12 volana. Araka ny tatitry ny filàn-kevitry ny minisitra notanterahina, dia anisan’ny departemanta stratejika amin’ny fanatanterahana ny andry voalohany amin’ny vinan’ny filoham-pirenena, amin’ity fepotoam-piasany vaovao ity, ny fanofanana arak’asa. Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny loharanon-karena maha-olona izany. Efa nanomboka nanome fampiofanana faobe ny ministera, ka niompana tamin’ny asa manodidina ny aterineto (métiers du web) izany. Dingana hotanterahina manaraka ny fampihaonana ireo tanora vita fiofanana sy ireo mpampiasa, mba hisian’ny fandraisana mpiasa manana ny fanamarinam-piofanana. Natomboka teto Antananarivo izany, hotohizina any Toamasina, ary hiitatra amin’ny faritra efa misy orinasa misehatra amin’io sehatr’asa io ny fampiofanana ireo tanora.

Fampiofanana momba ny vato

Efa nanomboka ihany koa ny fampiofanana amin’ny fanaovana rarivato (pavé), famakiana vato, fanefena ary fametrahana azy ireny amin’ny fanamboaran-dalana teny Ambohidratrimo Faritra Analamanga sy tany Faratsiho Faritra Vakinankaratra, hoy ny tatitry ny filàn-kevitry ny minisitra. Hotohizina any amin’ny Faritra hafa manana karieram-bato ihany koa ny fampiofanana faobe momba izany. Asa eo an-dalam-panatanterahana kosa, ho an’ity Minisitera ity, ny fametrahana fifanarahana amin’ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM) mba hampifanojoana ny fampiofanana karakarainy, amin’ny filàn’ireo orinasa tsy miankina. Torak’izany koa ny orinasa afaka haba. Etsy an-daniny, hatomboka any Toamasina ny fandaharan’asa fampiofanana faobe ireo vehivavy marefo sy miahy tena, amin’ny asa manodidina ny zaitra. Hotolorana fitaovana fanjairana izy ireo, mba hahafahany miasa avy hatrany raha vantany vao vita ny fiofanana.

Fampiofanana na aiza na aiza

Ankoatra izay dia hisy fijerena manokana ireo fotodrafitrasan’ny ministeran’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana Arak'asa, satria saika mila fanarenana maika daholo ireo toeram-pianarana teknika sy toeram-piofanana manerana ny Nosy. Misy ny asa fanarenana, amin’ny alalan’ny “tagnamaro”, fa misy ihany koa ny asa lehibe tsy maintsy hanaovana tsenan’asam-panjakana na hitadiavana mpiara-miombon’antoka ny fanatanterahana azy. Fa ny tetikasa isan’ny goavana ary heverina fa hitondra fihavaozana lehibe eo anivon’ity Minisitera ity, dia ny fananganana ny foibe fampiofanana faobe sy fikotrehana orinasa (formation de masse et incubation professionnelle), izay efa manomboka ihany koa ankehitriny. Eo ihany koa ny famolavolana fitaovana sy fandaharam-piofanana ho an’ny tanora, amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana, ka hahafahan’izy ireo manaraka fiofanana, na aiza na aiza misy azy ireo manerana an’i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires