• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unicef Madagascar
Image
Vaovao

Ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro : Vonona amin’ny fiatrehana ny fihaonana iraisam-pirenena ny tanora

22/02/2024 08:21 © Moov.Mg

Mitombo isa hatrany ireo tanora liana sy mandray andraikitra amin’ny fiarovana ny totolo iainana sy amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Nivoitra izany nandritra ny tatitra nasionaly momba ny fandraisan’ny tanora malagasy anjara tamin’ny COP28, notontosain’ny Vovonana Aika, omaly teny Andrainarivo.

Resy lahatra ny tanora

Tanora malagasy manodidina ny 30 isa no nanatrika ny fihaonana an-tampon’ny Firenena Mikambana momba ny fiovan’ny toetr’andro andiany faha-28, na ny COP28, izay notontosaina tany Dubaï tamin’ny volana desambra tamin’ny taon-dasa. Niisa 5 monja anefa izy ireo no nandeha tany Glasgow Ecosse, nanatrika ny COP 26, ary 11 no tany Charm el-Cheikh Ejipta, nanatrika ny COP27. Izany fitomboan’isa miandalana izany dia midika fa resy lahatra ny tanora fa manana anjara amin’ny famelabelaran-kevitra sy ny fifandresen-dahatra iraisam-pireena, hoy ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina. Vonona rahateo izy ireo niatrika izany, satria nahazo fiofanana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka, toy ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF), hoy hatrany izy. Araka izany, efa mihamaro ireo tanora malagasy no mahay mitondra tetikasa momba ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Betsaka ihany koa ireo mitantana fikambanana na orinasa sosialy ,izay misehatra eny ifotony manerana an’i Madagasikara, araka ny nambaran’ny Minisitra.

Mitohy ny asa

Raha ny Vovonana Aika manokana, izay ivondronana fikambanana tanora manodidina ny 30 isa, dia tsy fanatrehana fotsiny no natao tany Dubaï, fa nandray anjara tamin’ny famelabelaran-kevitra sy ny fifandresen-dahatra ihany koa izy ireo. Mitohy ny asa momba ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, taorian’izany. Mifototra amin’ny andry 4 izany, dia ny fampahafantarana ny zava-nisy tany amin’ny COP28, ny fandraisan’anjaran’ireo mpisehatra nanatrika tany sy ny fanapahan-kevitra nivoitra… Ny faharoa dia ny famadihana ireo fanapahan-kevitry ny fihaonana an-tampony mba ho lasa asa. Ny fahatelo dia ny fanampiana ny tanora ara-kevitra, ara-teknika ary ara-bola, mba hahafahan’izy ireo manatanteraka ireo hetsika rehetra hataony. Farany, ny fanaovana adisisika sy ny fametrahana tahirin-kevitra misy fototra sy mafonja, mba hahafahana manohana izany adisisika izany.

Misy vokany

Etsy an-danin’izay anefa dia efa miomana sahady ho amin’ny COP29 ho avy ireo tanora, no sady manatanteraka ireo lahasa nateraky ny COP28, mba ho tena mafy sy mahery ny feon’i Madagasikara rehefa tonga any, hoy ny avy amin’ny Vovonana Aika. Mety ho sarotra sy ela vao hita mivaingana ny vokatra azo avy amin’ireny fihaonana an-tampony iraisam-pirenena ireny, hoy ny Minisitry ny Tontolo Iainana, saingy ireny aloha no sehatra ahafahantsika manao tatitra momba ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro eto amintsika. Maro amin’ireo tetikasa lehibe tanterahin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny Fanjakana Malagasy eto amintsika rahateo, araka ny nambarany, no niainga tamin’ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ireny fihaonana an-tampony ireny.

Lire la suite

Articles Similaires