• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministère De La Justice
Image
Vaovao

Fonjan’Antanimora : Notolorana fanaovana volo, lafaoro, masinina fanjairana… ireo vehivavy

20/02/2024 20:02 © Moov.Mg

Ivon-toeram-panarenana indrindra indrindra ihany koa ny fonja, fa tsy toerana fanasaziana fotsiny. Na dia eo am-panefana ny saziny aza ireo voafonja dia efa mila miomana sahady amin’ny fiverenana eny anivon’ny fiarahamonina indray.

Mianatra asa-tanana

Tonga teny amin’ny fonjaben’Antanimora ary, androany, ny minisitry ny Fitsarana sy Mpitahiry ny Fitombokaseam-panjakana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, nanolotra fitaovana ho entina mianatra asa-tanana ho an’ireo vehivavy voafonja. Fitaovana sy akora fanaovana volo, lafaoro ary masinina fanjairana no natolotra azy ireo tamin’izany. Vaindohan-draharahan'ny Minisiteraan'ny Fitsarana ny fanomanana ny fiverenan'ny voafonja ho tonga olom-banona eo anivony fiarahamonina, hoy ny fanazavana, antony nanatanterahana izao fanolorana fitaovana izao.

Tsy ho vesatry ny fiarahamonina

Tsy fanolorana fitaovana fotsiny anefa no natao, fa arahina fiofanana ihany koa izany, mba hananan’ireto vehivavy voafonja ireto fahaizana ahafahany manana antom-pivelomana, rehefa mivoaka ny fonja izy ireo. Rehefa tapitra ny fiofanana dia hahazo mari-pahaizana na "Attestation de réussite" izay rehetra mahavita izany. Nohamafisin’ny minisitra Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, tao anain’ny lahateny nataony, fa tsy fanafaizana fotsiny ihany ny fonja, fa natao indrindra ihany koa hampianatra sy hanarina an'ireo voafonja, mba tsy ho vesatra eo anivon'ny fiaraha-monina rahatrizay mahaefa ny saziny izy.

Lire la suite

Articles Similaires