• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rangers Tsihaligno
Image
Vaovao

Lalana tapaka : adin’ny 8 no anaovana ny 200 km mampitohy an’i Tsiroanomandidy sy Morafenobe

20/02/2024 15:20 © Moov.Mg

Mirongatra ny tsifandriampahalemana any Morafenobe, Faritra Melaky, noho ny haratsian-dalana sy ny fidangan’ny vidim-piainana. Isan’ny mampijaly ny mponina ny lalana mampitohy an’i Tsiroanomandidy amin’ity Distrika ity, noho ny fahatapahan’ny « radier ».

Midangana ny saran-dalana

Efa roa taona izay no nahatapaka ity « radier » ity, izay eo amin’ny 1km tsy hiditra ao morafenobe no misy azy, hoy ny jeneraly Mahavonjy, tao amin’ny radiom-panjakana. 200 km mahery kely no elanelan’i Tsiroanomandidy sy Morafenobe, nefa 7 andro na 8 andro no anaovana izany lalana izany, raha ny fitantaran’ity Manamboninahitra misotro ronono ity. Ny saram-pitaterana ihany koa anefa, etsy an-daniny, lafo dia lafo. 5 alina sy 1 hetsy izany tamin’ny fotoanan’ny main-tany, ary misy tafakatra 2 hetsy izany amin’izao fotoam-pahavaratra izao, noho ny fanararaotan’ireo mpitatitra. Na izany aza anefa, tsy misy fiara tafiditra ihany koa ao Morafenobe, na fiara kely, na fiara lehibe, hoy hatrany ny filazany, noho io fahatapahan’ny « radier » io.

Tsy fandriampahalemana

Tsy ny mpitatitra ihany fa na ny mpivarotra ihany koa aza dia tena manampatra amin’ny vidin’entana, hoy hatrany ny Jeneraly misotro ronono Mahavonjy. Mbola ny olan’ny fitaterana sy ny fahatapahan’ny fivezivezena ihany no tena antony fototra mahatonga izany. Mirongatra miaraka amin’izany ihany koa ny tsy fandriampahalemana. Saika isan’andro no ahenoana fanafihana ao Morafenobe, na eo aza ny ezaka ataon’ny Mpitandro ny filaminana, hoy ity jeneraly misotro ronono ity. Ao an-tampon-tanànan’i Morafenobe mihitsy no miditra ny dahalo, hoy ny fitantarany, ary efa nisy ny olona nanara-dia azy ireo no maty voatifitra. Izany rehetra izany no mahatonga azy manao antso fanairana ny Fitondram-panjakana, mba hijery akaiky ny zava-misy any an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires