• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministère De La Justice
Image
Vaovao

Diary fanarahan-draharaha : Fitaovana miantoka ny mangarahara eo anivon’ny Fitsarana

20/02/2024 10:13 © Moov.Mg

Antony iray mampirongatra ny fitsaram-bahoaka ny tsy fahatokisana ny Fitsarana. Mahakamo ny olona manatona ny Fitsarana ihany koa ireo laza ratsy toy ny kolikoly, ny tsy fisian’ny fangaraharana eo amin’ireo dingana lalovana… Vahaolana iray naroson’ny Ministeran’ny Fitsarana ho amin’izany ny fampiasana ny « Diary fanarahan-draharaha », na ny « Carnet de suivi ».

Miady amin’ny kolikoly

Novokarina ho an’ny olona tsy an-kanavaka izay manan-draharaha eo anivon’ny Fitsarana ny Diary fanarahan-draharaha, mba ahafahan’ny olona manaraka ny fizotran’ny raharahany. Hita ao anatin'io diary io avokoa mantsy ny daty nanombohan'ny raharaha, ny anaran'ny olona notoriana, ny daty handehanan'ny Fitsarana, ny saran'ny raharaha, ny laharan'ny varavarana sy izay rehetra mikasika ilay raharaha. Rehefa miasa ity fitaovana ity dia tsy misy lalana ho an'ny mpijirika sy ny kolikoky intsony, hoy ny fanazavan’ny Ministeran’ny Fitsarana. Tafiditra tanteraka ao anatin'ny mangarahara, ny ady amin'ny kolikoky ary ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana ny fampiasana ity diary ity, satria ny tompon-draharaha mivantana no manaraka ny fizotry ny raharaha mahakasika azy, hoy ny minisitry ny Fitsarana sady mpitana ny tombokasem-panjakana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana.

Haparitaka manerana ny Nosy

Ho fanombohana ny fampiasana ny Diary fanarahan-draharaha dia nizara izany tamin’ireo olona manan-draharaha teny amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Anosy ny Minisitra, omaly, sady nanararaotra nitafa mivantana niaraka tamin’izy ireo. Fanombohana ihany ny teo Anosy, araka ny fanazavana, fa ny Fitsarana rehetra manerana an'i Madagasikara dia hampiasana ity Diary fanarahan-draharaha ity avokoa. Antenaina fa hampiakatra kokoa ny taham-pahatokisan’ny olom-pirenena ny Fitsarana ny fisian’ity fitaovana ity.

Lire la suite

Articles Similaires