• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Safidy
Image
Vaovao

Fanaraha-mason’ny Safidy : Nitombo 11,7% ny tahan’ny fisoratana anarana tamin’ny lisi-pifidianana

19/02/2024 18:38 © Moov.Mg

Nitondra ny tatitry ny fanaraha-maso ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy, na ny RALE 2023-2024, ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy) androany.

Nalaindaina ny antoko pôlitika

Fokontany miisa 772 tamin’ny Distrika 109, kaominina 240 ary faritra 23 no narahi-maso tamin’izany. Tsikaritry ny Safidy fa ny 94,8%-n’ny fokontany narahi-maso no manana Vaomiera eo an-toerana misahana ny fanisana ny mpifidy (CLRE). Tsy nitovy ny fametrahana CLRE eran’ny fokontany manerana ny Nosy, raha ny hitan’ity firaisamonim-pirenena ity. Tamin’ireo fokontany narahi-maso, dia ny 5,2% no hita fa tsy misy CLRE, nefa mifanipaka amin’ny lalàna velona misy izany. Ny 12,4%-n’ny CLRE narahi-maso ihany no voatsangana araka ny lalàna, izany hoe : nanana didy fanendrena ho mpikambana. Ny 89% amin'ny mpikambana ao amin’ny CLRE no nilaza fa nahazo fiofanana momba ny fizotran'ny RALE. Raha ny tsikaritry ny Safidy moa dia marefo ny fandraisan'anjaran'ny firaisamonimpirenena sy ny antoko politika eo anivon'ny CLRE, toy izany ihany koa ny tanora sy ny olona manana fahasembanana. Ny 75%-n’ny fokontany no tsikaritry ny Safidy fa nanatanteraka fivoriana mikasika ny fampidirana sy/na famafana ny mpifidy ao anatin’ny lisitry ny mpifidy.

Fampiatiana, tokony amafisina

Raha ny tamin’ny ankapobeny dia nitombo 11,7% ny tahan’ny fisoratana anarana, hoy ny Safidy, raha oharina tamin’ny lisi-pifidianana vokatry ny fanavaozana tanteraka (refonte) tamin’ny taona 2023. Analamanga no nahitana mpifidy vaovao nisoratra anarana be indrindra. Vatovavy, Ihorombe ary Betsiboka kosa no Faritra ambany indrindra ny isan’ny mpifidy vaovao nisoratra anarana. Ny 42%-n’ny mpifidy vaovao nisoratra anarana dia vehivavy, tao anatin’ny lisitry ny mpifidy narahan’ny Safidy maso. Tsapan’ity firaisamonim-pirenena ity ny fahalainana hanatanteraka izany fisoratana anarana izany, indrindra teo amin’ny tanora. Ankoatra izay dia nanome soso-kevitra ny amin’ny fanamafisana ny fampiatiana ny Safidy, satria ny 57%-n'ny fokontany nanaovana fanarahamaso no nilaza fa tsy nametraka fepetra fanamorana ny fisoratana anarana ho an'ny olona manana fahasembanana. Etsy an-daniny, ny 7%-n’ny CLRE ihany no nanana mpikambana olona manana fahasembanana

Lire la suite

Articles Similaires