• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

« One Health » : Tsy afa-misaraka ny fahasalaman’ny olombelona sy ny biby ary ny tontolo iainana

19/02/2024 14:29 © Moov.Mg

Tsy afa-misaraka amin’ny fahasalaman’ny olombelona ny fahasalaman’ny biby sy ny tontolo iainana ao anatin’izao fiovaovan’ny toetr’andro izao. Antony ampiasana amin’izao fotoana izao ny fiantomorana « One Health » izany, izay midika : fahasalamana iraisana.

Mila ny rehetra

Nanazava ny momba ity fiantomorana entina miatrika ny aretina ity, tamin’ireo mpanao gazety mpikambana ao anatin’ny tambajotra REMPSEN (Réseau des médias africains pour la promotion de la Santé et de l’environnement) aty Afrika, ny profesora Brama Koné, tomponandraikitra misahana ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fahasalamana, eo anivon’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS) Faritra Afrika. Notsipihiny tamin’izany fa mahakasika taranja maro karazana (multidisciplinaire) no sady marolafy (multisectoriel), ny fiantomorana « Fahasalamana Iraisana » (Approche « One Health). Araka izany, raha manoloana ny aretina iray, dia ilaina ny dokotera mitsabo, fa ilaina koa, ohatra, ny sôsiôlôgy hamantatra ny mety ho zava-nisy teo anivon’ny fiarahamonina, ka mety ho nitarika ny aretina. Ilaina ihany koa ny manam-pahaizana eo amin’ny lafiny ara-tontolo iainana, izay afaka mandinika ny fisorohana azo atao, araka ny zava-misy miainga amin’ny natiora.

Miantraika amin’ny tontolo iainana

Araka ny fantatra tokoa mantsy dia avy amin’ny biby ny 60%-n’ireo aretina vaovao fantatra maneran-tany. Mety ho biby fiompy izany, nefa mety ho bibidia ihany koa. Tao anatin’ny 30 taona dia otrikaretina amin’olombelona 30 mahery no fantatra. Ny 75% amin’ireo dia avy amin’ny biby avokoa. Ny asan’olombelona, izay miantraika amin’ny tontolo iainana, no isan’ny manome vahana ny fiforonan’aretina vaovao sy ny fiparitahan’izany. Tafiditra ao anatin’izany ny fambolena, ny fiompiana, ny fiitaran’ny tanàna ka mahatonga fitsabahan’ny olombelona any amin’ny toeram-ponenan’ny biby, ny fitrandrahana… Ny fahatsapana izany tranga izany no antony namoronana ny « One Health » tamin’ny taona 2004. Vao mainka nanamafy ny fifandraisan’ny fahasalaman’ny olombelona sy ny biby ary ny tontolo iainana ny nisian’ny valanaretina covid-19.

Fomba hisorohana valanaretina

Amin’izao fotoana izao dia ny Sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS), ny Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana misahana ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO), ny Fandaharanasan'ny Firenena mikambana ho an'ny fampandrosoana (PNUD) ary ny Sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny Fahasalaman’ny biby (OMSA) no tena mivoy ny « Fahasalamana Iraisana ». Ity fiantomorana ity no ahafahana mampihena ny risika hifindran’ny aretina avy amin’ny biby mankany amin’ny olombelona. Araka izany, mamporisika ireo Firenena afrikanina mba tena hampihatra azy ny Pr Brama Koné, mba hahafahana mitandro ny fahasalamana sy ny tontolo iainana. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana fomba fanairana, raha misy valan’aretina ahiana hiparitaka. Ao anatin’izany rehetra izany mantsy dia ny fisorohana no tena zava-dehibe.

Lire la suite

Articles Similaires