• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Futura Sciences
Image
Vaovao

Ady amin’ny tazomoka : Tsy vahaolana ny famongorana ny moka, hoy ireo mpikaroka

19/02/2024 12:13 © Moov.Mg

Fihetsika voalohany ataontsika olombelona ny mamono, raha vao mahita moka. Tsy mahagaga izany, satria manelingelina ny moka no sady mety hitondra aretina mahafaty. Tsy tokony hofongorina anefa ny moka, raha ny nambaran’ny mpikaroka avy ao amin’ny Institut Pasteur, izay nanao famelabelaran-kevitra tamin’ny faran’ny herinandro teo.

Tazomoka : nitombo 40% ny tranga

Tazomoka, dengue, chikungunya, tazovony, fièvre de la Vallée du Rift. Santionany amin’ireo aretina mety mahafaty vokatry ny kaikitry ny moka ireo. Ho an’i Madagasikara manokana, nahatratra 543 994 isa ny trangana tazomoka tamin'ny taona 2022, araka ny tatitry ny Sapan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS). Misy 235 karazana kosa ny moka misy eto amintsika, raha ny fantatra hatreto. Ny 5 karazana amin’ireo no mahatonga ny tazomoka. Araka ny fantatra dia nitombo 40% ny trangana tazomoka teto amintsika tao anatin’ny 8 taona. Vokatr’izay dia misy ekipa manokana mikaroka momba ny moka mpitondra aretin,a ao amin’ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM) sy avy ao amin’ny Institut de Recherche pour le Développement (IRD). Nanao famelabelaran-kevitra momba ny moka ireo mpikaroka roa lahy, ny Dr. Luciano Tantely sy ny Dr. Diego Ayala, ny sabotsy lasa teo, tao anatin’ilay famelabelaran-kevitra fikarakaran’ny Institut Français de Madagascar Analakely, mitondra ny anarana hoe : « Rencontre avec un chercheur ».

Mampiroborobo ny karazanjavamananaina

Isan’ny nivoitra tao anatin’izany famelabelaran-kevitra izany fa tsy mitondra voka-dratsy ho an’ny olombelona ny ankamaroan’ny moka. Mandray anjara betsaka amin’ny fampiroboroboana ny karazanjavamananaina (biodiversité) aza izy ireny, ka tsy tokony hofongorina. Raha tsy misy intsony ny moka dia hanakorontana ny rohim-pisakafoana (chaîne alimentaire) eo amin’ny ramanavy sy ny angidina izany, ohatra. Tsy vitan’izany fa mpamindra vony (pollinisateurs) toy ny tantely ihany koa ny moka. Manampy amin’ny fihavaozana sy ny fahadiovan’ny rano izy, mihinana bibikely ihany koa. Ireo antony ireo no tsy tokony hamongorana azy, hoy ny Dr Luciano Tantely, manam-pahaizana momba ny bibikely (entomologiste) eo anivon’ny IPM.

Fikarohana lalina

Tsy sanatria anefa ho avela amin’izao fotsiny ny moka, satria izy ihany koa no tompon’antoky ny fahafatesan’ny olona 600 000 isa mahery eran-tany, isan-taona, vokatry ny tazomoka. Ny fandinihana ny momba azy, ny fahafantarana ny antony mampirongatra ny tazomoka eto Madagasikara, nanomboka tamin’ny taona 2015, izay no fomba iray ahafahana mamehy ny moka. Miezaka mamantatra ny fomba fifindran’ny aretina ireo manam-pahaizana, mamantatra ny karazana moka mitondra ny aretina isaky ny Faritra, ny fotoana hikaikerany ny olombelona, ny fifindran-toerany, ny fahafahany mizatra ny toerana ifindrany…, araka ny fanazavan’i Dr. Diego Ayala, tomponandraikitry ny sampam-pikarohana momba ny bibikely ao amin’ny IPM sady mpikaroka ao amin’ny IRD. Araka izany, misy fikarohana efa miainga ankehitriny, izay tena zava-dehie tokoa ho an’ny paikadim-pirenena hiadiana amin’ny tazomoka.

Lire la suite

Articles Similaires